dimanche 10 juin 2018

Alahady 10 Jona 2018 - Jao 8 : 31 - 38

31Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Jiosy nino Azy:
–Raha maharitra mitana ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo!

33Fa novalian'ireo hoe:
–Taranak'i Abrahama8.33 Ampit Mt 3.9; Lk 3.8. izahay ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana; ka ahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?

34Dia hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin'ny fahotana. 35Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava. 36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo, kanefa mitady hamono Ahy satria tsy tafalatsaka ao anatinareo ny teniko. 38Izaho izay milaza izay efa hitako teo amin'ny Raiko; ianareo kosa manao izay efa renareo tamin'ny rainareo!

1 -  Jesoa no tena mpanafaka
Nihevitra ny Jiosy fa noho ny maha taranak'i Abrahania azy dia tsy mba andevo na oviana na oviana izy ireo Nambaran'i Jesoa kosa anefa fa "...Izay rehelra manota dia andevon'ny ota (and.34)..." Ary ny fahandevozana mampidi-doza indrindra dia ny ota. Ny fahandevozana hafa dia ivelan'ny tena ihany. na vokatry ny ataon'ny hafa. Ny fahotana kosa dia ao anaty. Amin'ny maha zanak'Andriamanitra an'i Jesoa dia Izy irery ihany no mahafaka antsika araka ny Teniny hoe: "Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo. dia ho afaka tokoa ianareo." (and.36). Fa izay takiana amintsika kosa dia:

2 - Mila maharitra amin'ny Teniny
Ny tena mpianatr'i Jesoa dia izay maharitra amin'ny teniny, izany hoe izay manaiky am-pitiavana sy am- pifaliana hankato hatrany ny fampianarany: mihaino sy manatanteraka izav lazainv. Tsy ampy nv hoe manaiky am-bava fotsiny ihanv. Izav vonona hanaraka an'i Jesoa no ahalala ny marina, dia ny fahalalana sy fanekena ny sitrapon'Andriamanitra. Rehela mahalala sy manaiky ny sitrapon'Andriamanitra ny olona ka manatanteraka izany eo amin'ny fiainany dia izany no tena fahafahana. Ambony lavitra noho ny fahafahana ara-toe-karena na ara-polilika ny fahafahana ara-panahy. Ny firenenena manana ny tena fahafahana dia izay firenena manaiky sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Raha maharitra amin'ny fanarahana ny tenin'Andriamanitra isika dia ho afaka amin'ny voka-dratsin'nv fahotana, toy ny tsy fahamarinana. ny kolikoly. ny fahalotoana rehetra.

Fanontaniana:
Inona no karazam-pahotana hitanao mamatotra ny olona?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12