mercredi 27 juin 2018

Alarobia 27 Jona 2018 - Mat 6 : 9 - 15

9Koa mivavaha toy izao ( Ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia misy fitoviany amin'ny vavaka jiosy (indrindra ilay vavaka mirakitra fankalazana 18) na ny vontoatiny na ny endriny; saingy ny mampiavaka azy dia ny fiantsoana an'Andriamanitra amim-pahatsorana sy ny filaharan'ireo zavatra angatahina.) àry ianareo:

«Ry Rainay any an-danitra ô,
hohamasinina anie ny anaranao;
10ho tonga anie ny Fanjakanao;
hatao anie ny sitraponao,
eto an-tany tahaka ny any an-danitra.
11Omeo anay anio ny hanina sahaza anay (sahaza anay: dkt hafa ilainay na ho an'ity andro ity na ho an'ny rahampitso.),
12avelao ny helokay,
ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;
13aza avela ho azon'ny fakampanahy izahay,
fa manafaha anay amin'ilay Ratsy!
[Anao ny fanjakana sy ny hery,
Anao ny voninahitra mandrakizay (Anao... mandrakizay: jereo 1 Tan 29.11-13.!)*Amen.]

14Eny, raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra; 15fa raha tsy mamela ny olona kosa ianareo, dia mba tsy hamela ny fahadisoanareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Tokony ho eo ambavan'ny maro, ny lehibe sy ny kely, ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Mety mandeha ampahazarana fotsiny anefa rehefa manonona izany, na dia ho an'ny mpandray ny fanasain'ny Tompo aza izay efa nampianarina manokana izany. Noho izany dia tokony ho ao an-tsaina ireto:

1- Ny ho an'Andriamanitra sy ho an'ny olona
Misy fanehoana mpisolotena "-nao" sy "-nay" eto ka ny "- nao" dia maneho indrindra izay zavatra rehetra atolotry ny olona an'Andriamanitra (ny fanjakanao. ny anaranao. ny sitraponao) ary ny "-nay" kosa dia maneho izay tadiavin' ny olona ainin'Andriamanitra (hanina sahaza ho anav. mamelà ny helokay tahaka ny hamelànavy, manafaha anay). Misy zavatra ifanolorana izany ambara eto fa tsv mahazo mianina fotsiny amin'ny hoe Andriamanitra dia mpanome sy mpanao zavatra ho an'ny olona hatrany. tsy maintsy misy fandraisan'ny olona anjara. Miomàna ianao manatanteraka izany.

2- Zava-dehibe ny fifamelana
Ambaran'ny fampianaran'i Jesoa Kristy eto fa izay mamela heloka no havelan'Andriamanitra heloka ary izay tsy vonon-kamela heloka dia tsy misitraka izany. Tokony ho ao an-tsain'ny olona hatrany àry fa mpanota ny olona rehetra (jereo sal 14, 3 roni 3, 10) koa aza manantena ny havelan'Andriamanitra heloka fotsiny fa atombohy ataon' ny olona samy olona aloha izany.

Fanontaniana:
Misy ve olona tsy mba diso mihitsy ka tsy mila izany famelan-keloka izany akory'?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12