dimanche 3 juin 2018

Alahady 03 Jona 2018 - Deo 15 : 1 - 6

1Isaky ny fito taona dia hanao famoizan-trosa ianareo, 2ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo. 3Ny olona hafa firenena ihany no azonareo terena hamerin-trosa; fa izay trosanareo amin'ny mpiray firenena aminareo kosa dia hafoinareo. 4Kanefa tsy hisy mahantra eo aminareo, satria hotahîn'ny TOMPO tokoa ianareo, any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, 5raha henoinareo tsara ny feony ka imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao. 6Eny, hotahîn'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.

Taon-jobily

Mankalaza ny Jobily laha 50 taonany ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara amin'ity taona ity. Manome tampianarana ho antsika ny tenin'Andriamanitra mba ahalalantsika fa ny taon-jobily dia:

1- Taonan'ny fifamelana
Teo amin'ny Israely, ny taon-jobily dia fotoana famoizan-trosa ho an'ny mpiray fírenena. fanomezana fanampiana ho an'ny ory sy mahantra, famotsorana ny andevo...lzany no natao ho fanajana ny Tompo. Ka anatin'izao taon-jobily izao dia aoka isika hifamela heloka, tahaka izay namelain'ny Tompo ny fahotantsika. Ho fampiharana izany dia taomina koa isika mba hifanampy sy hifampitsimbina; hijery manokana ireo izay mahantra sy sahirana. hanampy azy ireny mba ho afaka amin'ny fahantrana.

2- Taom-pitahiana
Tsv hisy malahelo sy mahantra eo amin'ny firenena raha toa ka votantana ara-drariny sy araka ny sitrapon' Andriamanitra ny harena rehetra. Endrika famoretana sy tsy rariny ny fanaovana am-pihi-mamba ny harem-pirenena. ka mila fanafahana mba ho fitahiana ho an'ny rehetra. Ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin' Andriamanitra no antoky ny fitahiana ho an'ny firenena. "Fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao. izay andidiako anao anio" (Deo 15. 5).

Fanontaniana:
Nitondra fiovana teo amin'ny fiainanao ve ny Jobily?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12