lundi 25 juin 2018

Alatsinainy 25 Jona 2018 - mar 5 : 1 - 9

1Nandeha sambokely i Jesoa sy ny mpianany ka tonga teny ampitan'ny farihin'i Galilea, teo amin'ny faritanin'i Gergesà5.1 Ny tondroin'i Marka eto dia toa ny faritany tamin'iny atsinanan'ny farihin'i Genesareta na farihin'i Galilea iny. Ampit Mt 8.28 sy nta.. 2Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin'ny fasana ( Ny fasana fahizany dia mazàna namboarina tanaty zohy vita nanahary na nolavahana tamin'ny vatolampy.), tonga nitsena Azy. Azon'ny fanahy maloto ralehilahy, 3ka teny amin'ny fasana no niorim-ponenana ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny rojo vy aza. 4Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy. 5Na andro na alina dia teny amin'ny fasana sy tany an-tendrombohitra tany foana izy, niantsoantso sy nandratra tena tamin'ny vato.

6Nony nahatazana an'i Jesoa ralehilahy, dia nihazakazaka nanatona Azy ka niankohoka teo anatrehany, 7ary niantsoantso ka niteny tamin'ny feo mahery hoe:
–Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin'ny anaran'Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!

8(Satria i Jesoa efa nandidy azy hoe: «Mialà amin'io lehilahy io, ry fanahy maloto!»)

9Dia nanontany an-dralehilahy i Jesoa nanao hoe:
–Iza no anaranao?

Ka namaly izy hoe:
–Tafika no anarako, satria maro izahay!

Mampijaly ny olona amin'ny heriny ny devoly

1- Tsy voafehin'ny olona izany
Voalaza-fa misy olona andevozin'ny devoly eto. Any anaty fasana izy no mitóetra ary minananana mandrakariva no ataony ary hita fa manelingelina sy mampijaly ary mampatahotra olona mihitsy izany. Niezaka nifehy azy ihany ny olona tamin'ny alalan'nv famatorana ny tànany, ny tongony fa niala maina hatrany. Tsy voafehin'ny olona mihitsv ny devoly.
Na dia tsy fahita loatra aza angamba ny fisian'ny demoniaka toy izany eo amin'nv fiainan'ny kristiana ankehitriny, dia manaiky isika fa mbola ampahorian'ny devoly ny kristiana amin'nv ankapobeny. Ary na dia tsy voafehin'ny olona aza izany dia tsy mahazo mipetra-potsiny ny kristiana, fa tsy maintsy mitady fomba handresena azy.

2- Resin'i Jesoa Kristy ny devoly
Vao nahita an'i Jesoa Kristy ilay fanahy ratsy dia voalaza eto fa niankohoka tainin'nv tany teo anatrehany. Ambaran' ny mpahay baibolv fa mariky ny fahambonian'i Jesoa Kristy manoloana ny hery rehetra izany. Ny fampiasana ny fomba fitenv hoe "moa mifaninona akory izaho sy Ianao ry Jesoa" dia mba hanosehana an'i Jesoa tsy hiditra amin'ny zavatra ataony. Kanefa i Jesoa Kristy vao maika niditra. Ny dikan'ny nanontaniana ny anarany, dia mba ahafahana mifehy azy (vakio ny tohin'ny tantara). Koa ny handresena ny devoly izany dia tsy misy afa-tsy ny herin'I Jesoa Kristy irery ihany. koa mangataha izany aminy ianao raha te handresy izany.

Fanontaniana:
Afaka mandresy nv devoly amiivizao ve ny mpiandrv?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12