vendredi 1 juin 2018

Zoma 01 Jona 2018 - Sal 70 : 1 - 5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida, hitaomana an'Andriamanitra hahatsiaro azy.

2Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy;
TOMPO ô, faingàna re hamonjy ahy!
3Ho menatra sy hangaihay anie
izay olona mitady hahafaty ahy;
hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
4Aoka hiverina ilalana ho safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
5Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravo amin'ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa Andriamanitra!»

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo.

1- Antsoy faingana Izy (and.l, 5)
Aoka isika ahatsiaro ho dodona ka tsy hangataka andro intsony. Antsoy ny Tompo fa Izy irery ihany no azo antoka hanafaka antsika amin'ny fandriky ny fahavalo sy izay ta-hanisy ratsy. Hoy ny Soratra Masina: "Antsoy Aho, dia ho valiako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.(Jer 33,3)

2- Apetraho Aminy ny ady. (and.2, 3)
Mety halaim-panahy isika ka hamaly izay manisy ratsy antsika. Ampianarina isika hatoky fa fitaovam-piadiana enti-mandresy ny vavaka "... Mba ho menatra sy hangaihay ary ho afa-baraka izay mitady hanisy ratsy sy mifaly amin'ny fahavoazantsika". Angataho ny Tompo handray an-tanana amin'ny adintsika : "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina " (Eks. 14, 14).

3- Mivavaha ho an'ny hafa (and.4)
Tsarovy fa tsy ianao irery akory no miatrika zava-tsarotra sy manahirana .Mety misy aza mizaka ny mafimafy kokoa noho ianao ka velon-taraina sy fatra-pitady famonjena avy amin'ny Tompo. Mampianatra antsika ny mpanao Salamo mba hivavaka ho azy ireny, araka ny voasoratra hoe: "Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao: ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

Fanontaniana:
Inona no tsaroanao sy voatonon'ny vavanao voalohany raha sendra loza tampoka ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12