jeudi 7 juin 2018

Alakamisy 07 Jona 2018 - Lev 25 : 8 - 13

8«Hanisa fito taona mitsingerina impito ianareo, izany fito taona impito, ka 49 taona no halàvan'izany. 9Ny andro fahafolon'ny volana fahafito, andro fankalazana ny Famelàn-keloka, dia hitsoka anjomara ombàm-pihobiana ianareo ka manerana ny taninareo no hitsofanareo azy. 10Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an'ny mponina rehetra ao amin'ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin'ny taninareo sy amin'ny fianakavianareo avy ianareo. 11Jobily ho anareo io taona fahadimampolo io; ka tsy hanao famafazam-bary ianareo, tsy hojinjanareo ny vokatry ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo. 12Eny, Jobily tokoa io taona io ka hatokanareo ho Ahy. Kanefa izay zavatra voajanahary vokatry ny saha dia azonareo hanina.

13«Amin'io taona Jobily io, dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.

Jobily fiainana
Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny Jobily dia:

1- Taona Masina
"Fa Jobily izany ka ho masina ho anareo... " (and.12a) Aoka hiavaka eo amin'ny fiainan'ny Fiangonana izany taona izany .Tsy amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana sy ny fitadiavam-bola ihany, fa indrindra amin'ny toe-panahy entina mankalaza Azy. Taona voatokana ho an'ny Tompo ny taon-jobily. Fo voadio sy voasasan'ny ran'i Jesoa Kristy Tompo no mendrika hankalazana izany.

2- Fanafahana ny olona
Ny taon-jobily dia taom-panalahana ho an'ny olona. "Ary hamasino ny taona faha dimampolo, ka miantsoa fanafahana ho an 'ny mponina rehetra ao aminy. " Samy hody any amin'ny taniny sy ny mpianakaviny avy ny olona rehetra (and. 13). Tsarovv fa mitsinjo ny olony ny Tompo ka manafaka azy amin'ny fanandevozana amin'ny alalan' i Jesoa Kristy.

3- Fanafahana ny tany
Avela hitsahatra ny tany, ka sady tsy asaina no tsy amafazana (and.11). Atao izany mba hahazoan'ny tany tsiro indray, ary koa ho fampahatsiarovana fa "An'i Jehovah ny tany" (Sal.24). Fantaro fa misy olona tsy manana zara tany akory, fa ny hafa firenena indray no lasa tompony. Kaha ny hafa firenena aza nekena hanana tany eto, dia rariny raha manana tany eto Madagasikara avokoa nv Malagasy ka ho afaka amin'ny fahantrana. Manana andraikitra amin'nv fanarenana izanv ny Fiangonana.

Fanontaniana:
Ahoana ny hevitrao raha toa ka atao ho isaky ny faha fito taona nv taom-pankalazana eo amin'ny Fiangonana?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12