vendredi 8 juin 2018

Zoma 08 Jona 2018 - Gal 5 : 13 - 15

13Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin'ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin'ny alalan'ny fitiavana. 14Satria ny lalàna manontolo dia tanteraka amin'ny didy tokana hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao5.14 Fisor 19.18.!» 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao hifandringana.

Ny olona afaka.

Samihafa ny fandraisan'ny olona ny atao hoe fahafahana. Mampianatra antsika nv Soratra Masina anio fa ny olona efa nantsoina ho amin'ny fahafahana dia:

1- Afaka tamin'ny fanandevozan'ny lalàna.
Ny tena fahafahana dia fahalalahana hanao asa tsy an-tery, tsy noho ny tahotra ny lalàna fa noho ny fahatsiarovan-tena. Marina fa voararan'ny lalàna ohatra ny mangalatra, kanefa raha noho ny tahotra ny higadra fotsiny no antony tsy hanaovana izany dia tsy mbola ao ny tena fahafahana. Ny olona efa nafahan'i Kristy dia afaka tamin'ny fanandevozan'ny lalàna ka amin'ny finoana sy fitiavana no anatanterahany sy hankatoavany ny sitrapon' Andriamanitra.

2- Afaka tamin'ny filan'ny nofo
Izay efa nafahan'i Kristy dia afaka tamin'ny asan'ny nofo izay nanandevo azy taloha toy ny fijangajangana. fahalotoana, fijejojejoana. fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fìfankahalana. adiadvy, fahatezerana, kìafonafonana, fìfandrafiana, fìalonana, fidorohana, filalaovan-dratsy...sns... Toheriny mafy ireo rehetra ireo ka tsy havelany hanjaka intsony eo amin'ny fiainany.

3- Mifanompo amin'ny fitiavana
Ny fositra mampizarazara sy manapotika ny Fiangonana dia ny tsi-fìtiavana. Ny Fanahy Masina no mampianatra sy mitarika antsika hifanompo sy hifankatia, ary koa ahaizantsika mitia na dia ny fahavalo aza. Izay rehetra tia no efa nahatanteraka ny lalàna. "Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna " (Rom. 13, 10)

Fanontaniana:
Mna lena mahatsiaro ho olona afaka ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12