samedi 16 juin 2018

Sabotsy 16 Jona 2018 - Sal 40 : 11 - 17

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,
ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;
ny vahoakanao tafangona amborahako
ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;
ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.

13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;
mizaka ny vokatry ny heloko aho
sady tsy mahajery azy intsony
noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;
ka ketraka dia ketraka ny foko.
14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie
izay olona mitady hahafaty ahy!
Hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
16Aoka ho ankona safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»

17Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravoravo amin'ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»

lanjadiam-pahoriana maro ny mpino

1- Noho ny zava-misy ao anaty sy manodidina azy
Ny olona amin'nv ankapobeny, ny mpino koa aza dia tsy mihevitra loatra ny fahadisoana na ny ratsy ataony fa mahita mandrakariva kosa ny fahadisoain'ny hafa, tokony hampieritreritra mihitsy noho izany ilay tenin'i Jesoa Kristy araka ny Mat 7, 5. Ny mpanao salamo kosa anefa eto dia miaiky fa tena nahavita heloka be tokoa izy. Tokony ho fíeritreritra indrindra izany satria izay manetry tena no hasandratra hoy ny Soratra Masina. Ambonin' izany anefa. ny manodidina koa tsikaritra eto dia vao maika manampy trotraka ny vesatra efa entina. Tsy mahagaga raha mihamitombo ny isan'ireo mamoy fo.

2- Misy anefa ny fanantenana
Manolotra vahaolana ombam-panantenana ny mpanao salamo ho an'ny olona rehetra na mafy aza ny manjo. Tsy maintsy misy ny trangan-javatra mifamaofao eo amin'ny fiainana ary tsy manamaivana ny zava-misy velively izy akory fa mampitodika ny olona amin' Andriamanitra kosa. Mandresy lahatra ny mpino izy araka ny fehin-teniny. and. 17: na día ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy, mpamonjy sy mpanafaka ahy lanao. Manamafy izany ny Jao 16, 33. Amin'ny zava-mitranga aminao àry, mahaiza manao tahaka ity mpanao salamo ity.

Fanontaniana:
Araka ny hevitrao, afaka hiandry an'Andriamanitra toy ny mpanao salamo ve ny kristiana ianjadiam-pahoriana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12