mercredi 20 juin 2018

Alarobia 20 Jona 2018 - Sal 37 : 34 - 40

  34dia hasandrany ho mpandova ny tany ianao
      sady hahita ny olon-dratsy ho fongotra.
RESA
   35Izaho nahita olon-dratsy nanjakazaka
       ary nisandrahaka toa sederan'i Libano.
   36Nandalo indray aho, dia tsy teo intsony izy,
       ary nokarohiko fa tsy nety hita.
SINA
    37Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy,
       dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana
       no valiny omena ny olona toy izany.
    38Ny olo-meloka kosa dia haringana avokoa:
       ny famongorana no valiny omena ny olon-dratsy.
TAO
    39Mamonjy ny olo-marina ny TOMPO
       sy miaro mafy azy amin'ny andro mahory.
    40Manampy sy manafaka azy ny TOMPO,
       manafaka azy amin'ny olon-dratsy
       ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.

Fampanantenan'Andriamanitra ny olony hatrany am- piandohana (hatrany amin'ny genesisy) ny fampandovàna tany nv olony (ohatra: Gen 12, 7: ...sns) ary nitety vanim- potoana mihitsy izany fampanantenàna izany. Andriamanitra mantsy dia tsy mampisaraka velively ny olona amin'ny tany. Tsy ny olona rehetra anefa dia nokendreny handova izany daholo fa ireo izay manaraka ny fepetra teneniny ihany. Araka ity salamo ity dia ireto no arahana mba handovàna ny tany:

1 -  Miandry ny Tomno
Ny hoe miandry dia filazana elanelam-potoana fiandrasana izay mety tsy ho voafaritra mialoha. Rehefa miandry koa dia misy zavatra maro samihafa sedraina. Noho izany rehefa miandry ny Tompo dia mila mandefitra (jereo Sal 37.11), mandefitra amin'ny zavatra mitranga manodidina rehetra. Mitaky fiaretana koa ny miandry (jereo Sal 130. 5- 6), ary tsy miala amin'ny fialofana Aminy velively amin'izany, ka manantena ny famonjen'Andriamanitra sy ny heriny mba hanampy ny olona (jereo Oha 20, 22; Isa 57, -13). Entanina àry ny olona aharitra hiandry ny Tompo, ka tsy hanao ilay fiteny hoe andraso eo i Paoly

2 -  Mitandrina ny làlany
Ahoana moa no ahafahana hitandrina ny làlan' Andriamanitra raha tsy mahafantatra ny làlana aloha? Ho an'ny kristiana dia tsy sarotra izany satria i Jesoa no làlana. Mila manana Azy izany fa tsy mandeha amim- pahazarana fotsiny sy amin'ny endrika ivelany ihany.

Fanontaniana:
Afaka miteny ve ny kristiana hoe handova nv tany ampanantenain'nv Tompo azy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12