lundi 18 juin 2018

Alatsinainy 18 Jona 2018 - Isa 38 : 1 - 9

1Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin'i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»

2Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin'ny TOMPO, 3ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!» Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.

4Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Isaià nandidy 5handeha hilaza amin'i Hezekià hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao. 6Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria; ary ity tanàna ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko38.6 Ny and 21-22 dia natsofoka aorian'ity and 6 ity toy izay hita amin'ny andalana mirazotra ao amin'ny 2 Mp 20.1-11..»

Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

Dia hoy i Hezekià taminy: «Inona no famantarana fa afaka hiakatra ao an-tranon'ny TOMPO aho?»

7Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy. 8Ny tohatr'i Ahaza38.8 Ahaza: rain'i Hezekià (2 Mp 18.1.)., izay azon'ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan'ny aloka; indro fa hampihemorin'ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.»

Dia azon'ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan'ny aloka teo.

Isan'ireo mpanjaka teo amin'ny Zanak'i Israely nihaino sy nankatoa ny tenin'Andriamanitra i Ezekiela mpanjaka. Antony iray nahatonga an'Andriamanitra namaly vavaka azy izany. Tsy ho azy irery anefa izany soa avy  amin'Andriamanitra izany fa ho an'ny tany iadidiany koa.

 Mamaly vavaka Andriamanitra raha:
1- Manao ny sitrapony ny olona
Ady hevitra eo amin'ny kristiana matetika ny hoe aiza izay valim-bavaka azo nefa efa tena nangataka aho. Tsara atao an-tsaina anefa fa Andriamanitra dia tsy miasa ho an'ny olona iray fotsiny na sehatra iray ihany, fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Ny olona no tsy mahita afatsy ny tenany. Ankoatra izany. ny olona rehefa miabo ny zavatra azony vao lazainy hoe mivaly nv vavaka nataony kanefa tsarovy fa efa valiny daholo na miiba aza no azo. Ny fananana toe-po sy fahavononaana hanao ny sitrapon' Andriamanitra koa dia ahafahana manantena valim-bavaka

2- Mitomany eo anatrehany ny olona
Mitomany ny olona, amin'ny ankapobeny, rehefa misy zavatra mafv manjo azy. Ny lehilahy kosa anefa dia tsy mpitomanimany fotsinv amin'izao koa inona loatra àry no tena anton'ny ranomason'i Hezekia eto? Nivavaka teo anatrehan'Andriamanitra izy tamin'ny fo feno fanetren- tena ary lasa ho azy ny ranomasony, tsy fanahy iniana mihitsy. Mandeha ho azy izany fa tsy amboarina velively, ny fo enti-mivavaka marina no zava-dehibe.

Fanontaniana:
Efa nahazo valim-bavaka tamin'ny Tompo ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12