mardi 19 juin 2018

Talata 19 Jona 2018 - Mat 20 : 29 - 34

29Nony niala tao Jerikao i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesoa. 30Ary indreo nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana. Reny fa hoe i Jesoa no nandalo, ka niantsoantso mafy izy roa lahy nanao hoe:
–Ry Tompo, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo aminay!

31Norahonan'ny vahoaka izy roa lahy hangina, kanefa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Tompo, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo aminay!

32Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy roa lahy ka nanao hoe:
–Inona no tianareo hataoko aminareo?

33Ary hoy ireo taminy:
–Tompo ô, ny mba hampahiratra ny masonay!

34Onena i Jesoa ary nikasika ny mason'ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an'i Jesoa.

Izay mahafantatra an'i Jesoa Kristy dia:

1- Mitady vonjy Aminy
Eto amin'ny and. 20 dia voalaza hoe nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesoa Kristy. Inona no antony nanarahan'izy ireo Azy? Tsy milaza na inona na inona nv amin'izany ny Soratra Masina manoloana antsika anio. Ny voalaza kosa dia izao: nisy jamba roa lahy teo amoron-dalana ka rehefa nandre fa nandalo i Jesoa Kristy dia niantsoantso nila vonjy taminv izy roa lahv ireo. Ireto jamba ireto izanv dia mahatsiaro fa mila vonjy ary i Jesoa dia ninoany fa mpamonjy afaka hanampy azy ireo koa nanararaotra niantso sy nitady vonjy Taminy izy ireo.

2- Mandresy ny sakana
Rehafa niantsoantso izy ireo dia voalaza fa "niteny mafy azy ireo ny vahoaka mba hangina" (and. 31) Inona no dikan'izany? Mankarenin-tsofína ve izy ireo dia hampanginina sa tsy tian'nv vahoaka ho sitrana izy ireo sa tsy tian'ny vahoaka elingelenina i Jesoa Kristy ? Ny andrasana izany dia ny hanginan'izy roa lahy. Tsy izany anefa no nitranga fa vao maika niantsoantso mafy izy roa lahy izany hoe nampitomboiny mafy nv kiakiakam- paniriana te ho sitranin'i Jesoa Kristy. Ary vokany dia nijanona i Jesoa Kristy namaly ny hetahetam- pahasitranan'izv roa lahv. Ny manatona an'i Jesoa sy mila vonjy Aminy dia tsy mandeha ho azy amin'izao, tsy vita mora fotsiny fa misy sakantsakana ka izay mandresy ny sakana no hisitraka famonjena.

Fanontaniana:
Misv ve mpanara-dia an'i Krisly kanefa tsy misitraka na inona na inona avy Aminy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12