samedi 9 juin 2018

Sabotsy 09 Jona 2018 - Sal 22 : 1 - 11

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Ny dieravavy, fony mazavatsinanana». Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitro ô, Andriamanitro ô
nahoana no dia nilaozanao aho (22.2 Ny fiandohan'ny and 2 dia voatsiahin'i Jesoa voahombo teo ambony hazofijaliana araka ny Mt 27.46; Mk 15.34.?)
Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao
ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?
3Mandritra ny andro aho miantso Anao
saingy tsy valianao, Andriamanitro ô;
ary miantso koa aho amin'ny alina,
saingy tsy mahazo fiononana.

4Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana
Ianao, ry ilay Andriamanitra masina
Izay fidèran'i Israely vahoakanao.
5Nitoky taminao ireo razanay;
natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,
6niantso vonjy taminao ka nafahanao,
natoky Anao ka tsy diso fanantenana.

7Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony,
ka sady voaompa no lavin'ny vahoaka;
8izay mahita ahy dia maneso avokoa,
manondro molotra, mihifikifi-doha (22.8 Jereo Mt 27.39; Mk 15.29; ampit Sal 109.25..)
9Ka hoy izy ireo ny amiko hoe:
"Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra;
eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka" (22.9 Momba ny and manontolo, jereo Mt 27.43.!)
10Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy
mba hiala avy tao an-kibon-dreniko
ka nampandry ahy teo an-trotroany.
11Vao teraka aho, dia nankinina taminao;
mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo

Mety hisy fotoana sarotra izay iheveran'ny olona fa manadino azy Andriamanitra. Amin'ny fotoana toy izany indrindra no vao mainka tokony hitadiavana Azy sy hiantsoana fanafahana avy Aminy:

1- Amin'ny alalan'ny vavaka
"Andriamanitra ó' Andriamanitro ó! Nahoana no dia mahafoy ahy Ianao? "(And 1). Miantso an'Andriamanitra izy ka mitaraina Aminy. Fantany fa ao amin' Andriamanitra ihany no misy ny fanafahana amin'izao fahoriana lalina manjo azy izao. Inoany fa mahita ny fahoriany ny Tompo na dia toa tsy mihaino ny fitarainany sy tsy mamaly azy aza. Toy izanv no fìjoroana ho vavolomhelona takiana amintsika Kristiana manoloana ny fahoriana sy ny fanenjehana. Mety hanaraby antsika mantsy ny olona ka hanao hoe. aiza izay Andriamanitrareo no tsy mamonjy anareo amin'izao fahoriana izao? (and.8) Miantsoa fanafahana avy Aminy. Tsy hamela antsika ho amin'ny fahafatesana Izy na dia misy aza izay ady sarotra tsy maintsy hosedraina.

2- Amin'nv fahatokiana Azy
Hita taratra amin'izao vavaka izao koa ny finoana mafy orina ananan'ny mpanao Salamo ka amerenany indray ny filazana izay efa nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa. Hoy indrindra izy: "Hianao no nitokian'ny razanay...Hianao no nitarainany... Hianao no nampivoaka anay avy tao an- kibo; Hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao"(and.4,5,10). Ny olona miandrandra fanafahana dia tsy maintsy hanana finoana tsy voahozongozona.

Fanontaniana:
Nahoana no tsy mivaly araka izay angatahina nv vavaka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12