dimanche 24 juin 2018

Alahady 24 Jona 2018 - Jer 34 : 12 - 17

12Koa tonga tamin'i Jeremià ny teny avy amin'ny TOMPO nanao hoe:
13«Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Efa nanao fifanekena tamin'ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy. 14Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy (Jereo Eks 21.2-3; Deot 15.12-15.). Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory. 15Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin'izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an'ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin'ny trano natokana ho Ahy. 16Kanjo niova hevitra ianareo sady nanao tsinontsinona Ahy, fa samy namerina indray ireo mpanompo lahy sy vavy izay efa nalefanareo handeha ka nanery azy ho andevo indray.»

17Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain'ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an'ny mpanompony avy ianareo, dia ho an'ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin'ny fanjakana rehetra eran-tany.

Mahazatra sy fanaon'ny olona

1- Mandà ny tenin'Andriamanitra
Voalaza eto fa nanao fanekena tamin'ny olona Andriamanitra tamin'nv andro nitondrany ny olona nivoaka ny tanv Egvpta. Efa fomba fìasan'Andriamanitra hatrany ampian-dohana mihitsy ny fanaovana fanekena mba hanehoany ny fitiavany ny olona sy hampandraisana andraikitra ny olona satria ny fanekena dia tsy zavatra ataon'ny andaniny amin'nv ankilany fotsiny akory, fa tena ifanaovan'ny roa tonta sy ifamatorana mihitsy aza. Ny fanekena dia zavatra nekena ankatoavina sy hotanterahina ka Andriamanitra dia tsy mba mivadi-panekena izany, saingy tsy mba marína tahaka izany ny olona. Tena zavatra fanaon'ny olona mihitsy ny tsy manaiky ny tenin' Andriamanitra.

2- Mody manaiky ny tenin'Andriamanitra
Hitan'Andriamanilra fa ratsy ny ataon'ny olona kanefa tsy navelany amin'izao ny olona fa noteneniny sy nanariny. Noho izany dia nilaza fa hanaiky ny tenin'Andriamanitra kinanjo ny nataonv ihany no mbola hataonv hatrany.

Heverina fa tena ratsy noho ny tsy manaiky avy hatrany aza ny mody manaiky satria tena mpamitaka sy mpandainga tsotra izao. Eto anefa dia aseho fa toetran'olona izany, izany hoe ratsy ny olona, mpihatsara ivelantsihy. Nahatezitra an'Andriamanitra izany ka namaizany nv olona tamin'ny alalan'ny sabatra, ny areti- mandringana, ny mosary. Loza mihantona ho an'ny olona ny fivadihana amin'ny Tompo.

Fanontaniana:
Ahoana no ataonao raha mody manaiky ny teninao fotsiny ny zanakao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12