dimanche 17 juin 2018

Alahady 17 Jona 2018 - Apo 12 : 7 - 13 : 1a

7Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela (12.7 Mikaela: jereo Jod 9 sy nta.) sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin'ny anjeliny (12.7 Ampit Gen 3.1; Lk 10.18.). 8Kanefa resy ilay dràgona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika (12.10 Ampit Jôb 1.9-11; Za 3.1-2. –ilay mpiampanga: izany no hevitry ny hoe Satàna raha araka ny tena fiavian'io teny io.). 11Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

1Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy;

13Rehefa hitan'ilay dràgona fa voazera tamin'ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny. 14Fa nomena eladroan'ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin'ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany (12.14 Ampit Dan 7.25; 12.7.), ka ho voaaro amin'ny famelezan'ilay bibilava. 15Ny vavan'ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy. 16Kanjo novonjen'ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan'ny vavan'ilay dràgona. 17Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dràgona ka lasa nandeha tamin'ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina ilay dràgona12.17 ary nijanona... ilay dràgona: (misy stf sasany ahitana hoe ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina aho, ka mampifandray ity andininy ity amin'ny andininy manaraka.).

Mampieritreritra sady mampatahotra tokoa izay voalaza eto amin'ny and 12: " loza ho an'ny tany... fa nidina any aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe". Eo anatrehan'izany dia:

1- Mivonona hiady amin'ny devoly
Tokony ho ao an-tsaina fa tsy i Mikaela sy ny anjeliny ihanv no mila miady fa isika koa. Misy tononkira maromaro mihitsy ao anaty fihirana manondro ny kristiana ho toy ny miaramila, koa ilaina ny miomana sy mivonona miady. Misy loza mihatra mantsy ny fiainana araka ny voalaza teo ambony, tsy azo tsinontsinoavina velively izany. Ho ao an-tsaina koa anefa fa tsy vitan'ny herin'ny olona samy irery ny miatrika izany koa ilaina indrindra ny mangataka hery avy amin'Andriamanitra, toy ilay nananan'i Mikela sy ny namany hahafahana mandresy.

2- Mitandrina ny didin'Andriamanitra
Mety tsy hanana fanomezam-pahasoavana ho tonga mpiandry avokoa ny olona rehetra. Izany anefa tsy midika hoe meneke ho resen'ny devoly fa tsy maintsy miady hatrany. Mety misy fotoana hiadivanao miaraka amin'ny olona hafa, mpiandry ohatra. fa mila miomana koa anefa hiatrika ady irery. Izao no lazain'i Jesoa Kristy: " ny zavatra rehetra hain'ny mino" (Mar: 9,23) Koa manàna fìnoana aloha, tena zava-dehibe izany ary ambonin'izany, ny mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny mitàna ny filazana an'i Jesoa Kristy dia afaka hanohitra ny devoly.

Fanontaniana:
Ny mpiandry ihany ve no afaka hanohitra ny devoly?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12