vendredi 15 juin 2018

Zoma 15 Jona 2018 - Jak 1 : 26 - 27

26Raha misy manao ny tenany ho mpivavaka saingy tsy mahafehy ny lelany, dia mamita-tena ka zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. 27Fa amin'Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriana mahazo azy (Ampit Is 1.17.) ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin'izao tontolo izao.

Ny tena mpivavaka marina

Melohin'ny mpanoratra ato amin'ity epistily ity ireo milaza -tena ho mpivavaka kanefa tsy manao asa mifanaraka amin'ny finoany. Ny tena mpivavaka marina hoy izy dia:

1- Mahafehy, ny lelany
Singa kely monja eo amin'ny vatana ny lela, kanefa afaka hampidi-doza ny tena manontolo. Ny teny tsy voalanjalanja ataon'ny olona iray ao amin'ny Fiangonana dia mety hampisara-hazana ny rehetra. Izany indrindra no ilazan'ny mpanoratra hoe "...Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny.. (Jak.1 :19 ). Tandremo mba tsy hanafintohina ny hafa no sady tsy hahameloka antsika eo anatrehan'ny Tompo ny teny rehetra aloaky ny vavantsika.

2- Mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena
"Rain'ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina. "(Sal 68,5). Izay rehetra zanak' Andriamanitra dia tsy maintsy hanam-pitiavana ka hanao ho zava-dehibe ny fìahiana ireo kamboty tsy manan- dray. ny mpitondratena tsy manana vady, ny vahiny tsy manana hianteherana.

3- Miaro nv tenany tsy hisy pentipentina
Ny nanoloran'i Kristy ny tenany ho sorona ho an'ny Fiangonana dia ny mba hanadiovany sy hanamasinany azy tsy ho voaloto intsony "...Tsy misy pentipentina. na fikentronana... "(Efe 5. 27). Ny olona miaro ny tenany tsy hisy pentipentina avy amin'izao tontolo izao dia izay efa nandray an'i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy azy.

Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hifehezana ny teny aloaky ny vava?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12