jeudi 21 juin 2018

Alakamisy 21 Jona 2018 - Mpi 10 : 6 - 16

6Ary mbola nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta ( Jereo 2.13 sy nta.) andriamani-tsiizy, mbamin'ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony. 7Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan'ny Filistinina sy ny Hamônita. 8Nanomboka tamin'izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin'ny faritanin'ny Amôrita teny an-dafy atsinanan'i Jôrdàna. 9Niampita ny ony Jôrdàna mihitsy aza ny Hamônita mba hiady amin'ny fokon'i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma; ka nijaly mafy ny Israelita. 10Noho izany dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe:
–Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy.

11Dia hoy ny TOMPO tamin'ny Israelita:
–Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina 12na ny Tsidônianina sy ny Hamalekita ary ny Midianita ka niantso vonjy tamiko ianareo, moa tsy namonjy anareo ho afaka teo an-tanan'ireny va Aho? 13Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho. 14Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny androm-pahorianareo!

15Fa hoy ny Israelita tamin'ny TOMPO:
–Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!
16Dia narian'ny Israelita tsy ho eo anivon'izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian'i Israely.

Ny fanompoana andriamanitra hafa dia:

1- Mahatezitra an'Andriamanitra
Fitantaràna sy fanehoan-javatra tena miavaka ao amin'ny Baiboly ny fanehoana ny fífandraisain'ny olona amin' Andriamanitra. Satria aseho ao fa tena mpivadibadika tokoa ny olona: izany hoe ny fanekeny an'Andriamanitra ho mpamonjy sy hivavahana; nefa vetivety eo dia miala amin'Andriamanitra indray izy ireo fa mitodika amin'ny zavatra hafa mihitsy. Aseho eto fa mahatezilra mafy an'Andriamanitra izany fihetsiky ny olona izany, ka mahatonga Azy hampitondra faisana ny olona. Eto izany dia aseho amin'ny hoe: nahantra indrindra ny israely izany hoe niaina tao anaty fijaliana tamin'ny lafiny rehetra noho ny fialàna tamin'Andriamanitra, satria nahatezitra mafy Azy ny zavatra nataony

2- Nefa miantso ny olona hiverina Aminy Izy
Ao amin'ny And 14 dia manao esonteny ny olona Andriamanitra noho ny hadalàn'ny olona ihany. Kanefa mampieritreritra koa Izy ka miantso azy handanjalanja ny zavatra misy eo amin'nv fíainany. Taomina ny olona hampitaha hoe nanao ahoana izy fony teo ambany fitondran'Andriamanitra sy ny zava-nanjo azy ireo rehefa niala tamin'Andriamanitra indray. Tsapa eto fa nahatsiaro ny fahadisoany ny olona ka nanao hoe " efa nanota izahay, ataovy aminay izay rehetra sitrakao, kanefa mba vonjeo izahay" (and 15). Lazaina fa mahatsara ny olona ny zava-tsarotra mihatra amin'ny fiainany mba handinihany tena.

Fanontaniana:
Manaiky ve ianao fa mahatsara ny olona, ny kristiana indrindra indrindra. ny zava-tsarotra sedraina?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12