lundi 4 juin 2018

Alatsinainy 04 Jona 2018 - II Pet 2 : 11 - 16

11kanefa ny anjely, izay mahery kokoa sy ambony fahefana noho ireo mpampianatra sandoka ireo aza, dia tsy mitondra fiampangana hanevateva eo anatrehan'ny Tompo ireo atao hoe voninahitra. 12Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina: 13eny, hiharan'ny ratsy izy ireo ho tambin'ny asa ratsiny. Ny heverin'ireo ho zava-mahafinaritra dia ny manao filibàna antoandrobenanahary izao; feno tsiny amam-pondro ireo fa miliba sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo2.13 sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo: misy stf sasany ahitana hoe amin'ny sakafom-pifankatiavana iarahany aminareo. . 14Ny haka vadin'olona ary ny tsy hitsaha-manota amin'izany no imasoany; ny mpino tsy miorina tsara, angoleny; ary liana fitiavan-karena loatra ny fony: eny, olona hiharan'ny loza nambaran'Andriamanitra ireo! 15Efa niala tamin'ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran'i Balahàma, zanakalahin'i Behôra: i Balahàma dia nankamamy ny tambin'ny asa ratsiny, 16saingy voaanatra noho ny hadisoany; fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, vao nahasakana ilay mpaminany tsy hikiry amin'ny hadalàny2.16 and 15-16: jereo Nom 22.4-35.

Fantaro ny mpaminany sandoka

Nisy mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka Israely, nisy hatrany izany tamin'ny andron'i Jesoa tety an-tany, sady mbola misy mandraka ankehitriny. Ahoana no hamantarana azy ireny? Inona no tokony hotandremana manoloana izany?

1- Feno fanevatevana (and.11)
"Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra" (DIEM). Rehefa ny olona no manaratsy sy manevateva ny mpitondra fiangonana sy ny fivavahana misy anao dia aoka hianao handinika sy hieritreritra "Manevateva zavatra tsy fantany... " (and.12). Maro mantsv amin'izao fotoana izao no milaza azy ho mpitory filazantsara, ka maneho fahasahiana manaratsy ny fìnoain'ny hafa. Misy amin'izy ireny aza sahy milaza tsotra izao fa tsy Andriamanitra Jesoa Kristy.

2- Ratsv fitondran-tena
Balama dia iray amin'ireo mpaminany izay tsy nanaraka ny fananarana nomein'ny Tompo azy noho ny fitiavam-bola. Toy izany koa ireo mpaminany sandoka, izay manararaotra ny fahantran'nv olona ka mitaona azy handà nv làlan'nv hazo fijalian'i Kristy "Ny haka vadin'olona ary ny tsy hitsaha-manota amin 'izany no imasoany, ny mpino tsy miorina tsara angoleny; ary liana amin'ny fltiavan-karena ny fony" (and. 14-DIEM). Ny tena mpitory filazantsara dia hamarinin'nv fitondrantenany. Ny fahononan-tena hifikitra amin'ny fampianaran'ny tenin' Andriamanitra no manafaka antsika amin'izany.

Fanontaniana:
Nahoana no mahataona olona ireo mpaminany sandoka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12