samedi 2 juin 2018

Sabotsy 02 Jona 2018 - Eks 3 : 7 - 12

7Ary hoy ny TOMPO hoe:
–Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefàn'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely3.8 tany tondra-dronono sy tantely: dia tany mahatsara ny fiompiana (ronono) sy ny fambolena (ny tantely eto dia ilazana ranom-boankazo notehirizina fa tsy tantely avy amin'ny renitantely akory)., dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako3.10 And 2-10: jereo Asa 7.30-34..

Ny Tompo no mpanafaka.

Velon-taraina ny Zanak'Israely noho ny fampahoriana sy ny herim-pamoretana nampiharin'i Farao taminy. (and.9) Amin'ny fotoana toy izany indrindra no anehoan'ny Tompo ny fahefany tsy hay tohaina manafaka ny olony.

1- Mahatsapa nv fahorian'ny olonv Izy (and.7) "Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny. fantatro ny alahelony." Raha miantso sy mitaraina Aminy tokoa isika dia aoka hino miaraka amin'izay koa fa mandre sy mahita ary mahatsapa izay manjo antsika Izy.

2- Efa nidina Izy hamonjy ny olony (and.8)
Izy mihitsy no mirotsaka an-tsehatra, amin'ny fanafahana ny vahoakany amin'ny alalan'ny fanambarany fa nidina Izy. Efa nidina tety an-tany ny Tompo ka namonjy sy nanafaka antsika, araka ny nambaran'i Jesoa hoe: ~'Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy" (Jao 6:38, 39)

3- Miantso olona Izy hitondra fanafahana (and.10)
Fomban'Andriamanitra hatrizay ny miantso olona hiara- miasa Aminy hanatanterahany ny teny fikasany. Tsy mamela ny mpanompony hiady irery ny Tompo amin'izany fa manome toky sy fampanantenana ho azy, araka ny teniny: "Homba anao tokoa Aho ". (and. 12a)

Fanontaniana:
Inona no andraikitra miandry ny Fiangonana eo amin'ny fanafahana ny fìrenena amin'ny fahoriany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12