vendredi 29 juin 2018

Zoma 29 Jona 2018 - Rom 13 : 11 - 14

11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo ( hifohazanareo: misy stf sasany ahitana hoe hifohazantsika.)  amin'ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin'ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin'ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin'ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian'i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin'ny maha olona mpanota ho amin'ny filàndratsy.

Miomana hanana anjara amin'ny fanionjena

1- Misaraha amin'ny haizina sy ny alina
Eo amin'ny and. 12 dia misy izao: "Efa ho lasa ny alina ... aoka hariantsika ny asan'nv maizina". Ny fotoana hiainantsika ankehitriny dia oharina indrindra amin'ny maizina/alina izay anjakan'ny ratsy toy ny filalaovan-dratsy, ny fahamamoana. ny fijangajangana,... Izany sy ny hafa tsy voatanisa fantatry ny maro dia mamatotra ny olona ka mahatonga azv hiaina ao anaty haizina. Ho an'izay mieritreritra hanana anjara amin'ny famonjena ao amin'ny kristy kosa anefa dia ireo izay mihevi-tena ho kristiana, Tadidio fa tsy enti-poana izany anarana izany fa tsy maintsy manapa-kevitra misaraka amin'ny maizina (jereo Jao 3, 19)

2- Raiso sy hiaino ny mazava
And. 13: "aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro". Ny ambara amin'izany dia ny fiainana izay zava- misy rehetra ao amin'ny mazava. Nv zavatra voalohany takina amin'izany dia nv fananana sy fitafiana an'i Kristy izany hoe mampiditra an' i Kristy ao aminy, manao ny asan'i Kristy. mandeha amin'ny làlan'i Kristy, ary mitory an'i Kristy. Amin'ny tenv hafa, miezaka manatanteraka izay voalaza ao amin'ny Efe 5: 8 - 11. Mety mandeha ho azy ny fitenin'ny olona hoe izaho efa mpandray ny fanasan'ny Tompo nefa aoka handini-tena tsara izy fa izao ny lazain'i Paoly: "izay manao azy fa efa mijoro tsara. dia aoka izv hitandrina fandrao ho lavo" (I Kor 10 - I2)

Fanontaniana:
Ho an'iza ny famonjena omen'Andriamanitra ao amin'i Kristy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12