jeudi 28 juin 2018

Alakamisy 28 Jona 2018 - I Mpa 18 : 22 - 29

22dia hoy indray i Elià taminy:
–Izaho irery sisa no mpaminanin'ny TOMPO, fa ny mpaminanin'i Bahala kosa misy 450 lahy. 23Aoka homena ombilahy roa izahay; ka ianareo mpaminanin'i Bahala hifidy anankiray hotetehinareo sy hapetrakareo eo ambony kitay mba hatao sorona, saingy tsy hasiana afo ao. Izaho kosa hikarakara ny anankiray ka hametraka izany eo ambony kitay, saingy tsy hasiana afo koa ao. 24Hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, fa izaho kosa hiantso ny anaran'ny TOMPO; koa izay mamaly vavaka amin'ny fandrehetana ny afo no ho tena Andriamanitra.

Ary ny vahoaka rehetra namaly hoe:
–Marina izany teny izany.

25Dia hoy i Elià tamin'ny mpaminanin'i Bahala:
–Mifidiana ombilahy iray amin'ireo. Ianareo no mikarakarà voalohany, satria maro ianareo; ary antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.

26Dia nalain'ireo ny ombilahy izay nomena azy ka nokarakarainy hatao sorona; ary niantso ny anaran'i Bahala izy hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro nanao hoe: «Ry Bahala ô, mamalia anay!» Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka nanodidina ny alitara namboariny izy. 27Tamin'ny mitataovovonana dia naneso azy ireo i Elià hoe:
–Antsoy mafy ihany fa andriamanitra izy, ka sao dia maro herehina na koa mbola varian-dresaka, na nisy dia nalehany, na koa matory angamba izy ka mila hofohazina.

28Dia niantso mafy indray ireo sady niteti-tena tamin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pivoa-dra araka ny fanaony. 29Rehefa dila ny mitataovovonana, dia mbola nirediredy niantso an'i Bahala ihany izy mandra-pahatonga ny fotoana fanaovany sorona takariva, nefa tsy nisy nanoina na namaly teny amam-pihetsika azy akory.

Misy fampianarana ampitain'Andriamanilra amin'ny alalan'i Ellia mpaminany eto izay nalaina indrindra amin'ny ity mofonaina eto ity. Tokonv ho fieritreritry nv olona mamaky ity tenv ity izany.

1 - Tsy voatery ahavita zavatra ny maro
Fitenintsika malagasv ny toy izao: "ny mitabe tsy lanin'ny mamba, ny akanga maro tsy vakin'amboa, ..." izany hoe heverina fa mahavita zavatra sy tsy hay tohaina ny maro. Asehon'ny Tompo kosa anefa eto fa tsy voatery ho marina izany ary koa tsy rehefa vitsy, tokana aza. dia tsy hahavita na inona na inona mihitsy. Andriamanitra dia manana lalan-tsaina tena mifanohitra amin'ny an'ny olona satria ambaranv fa ny làlanareo tsy mba làlako ary ny fihevitro tsy fìhevitrareo (Isa .55, H). Asongadina eto àry fa na dia vitsy, tokana aza dia mahavita zavatra rehefa miankina amin' Andriamanitra

2- Aza mitoky amm'andriamanitra tsy izy
Ny olona dia manana faharesen-dahatra fa tsy mahavita tena velively ka mitady hery any ivelan'ny tenany mba hiankinana amin'ny trangan-javatra maro samihafa eo amin'ny fiainana. Izany no mahatonga ny olona hivavaka na ny kristiana na ny tsy kristiana. Ny zavatra hivahana kosa no samy hafa satria samy manana izay maharesy lahatra azy ka hamonoany tena mihitsy. Aseho eto anefa fa na dia misy fianteherana amin'ny andriamanitra hafa aza dia tsinontsinona ireny, koa asakasak'izay hivavaka amin'ny tsinontsinona.

Fanontaniana:
Vavaka manao ahoana no henoin'Andriamanitra sy valin'Andriamanitry ny kristiana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12