samedi 30 juin 2018

Sabotsy 30 Jona 2018 - Sal 144 : 6 - 11

6Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka;
alefao ny zana-tsipîkanao hifanaretsaka.
7Ny tananao atsory avy any ambony
mba hisarika ahy ho afaka amin'ny ranobe,
dia amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
8izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana.

9Andriamanitra ô, hihirako hira vaovao Ianao
ary hankalazaiko amin'ny valiha torifolo:
10«Ianao no manome fandresena ny mpanjaka
sy manafaka an'i Davida mpanomponao.»
11Vonjeo tsy ho voan'ny sabatry ny olon-dratsy144.11 Ny firîndran'ny rijan-teny hebreo dia manainga hanambatra ny hoe (izay mamarana ny and 10) amin'ny and 11, araka ny efa nataon'ny dkt grika tranainy rahateo. aho,
afaho amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana

Misy ady sarotra atrehin'ny mpanao salamo eto ary rehefa miady izany moa dia tsy maintsy manantena fandresena hatrany. Ny hervyna ny paikady ahafahana mandresy no tsy maintsy apetraka tsara. Ny mpanao salamo àry dia:

1 - Niandrandra ny fanampian'Andrianianitra
 Asehony sy haveriny in-droa nv zava-tsárotra hatrehinv: "afaho aho ka vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo". Milaza izany fa manan-kery ny fahavalony ka tsy azo tsinontsinoavina fotsiny. Ny fanehoana ny tànana ankavanana mamitaka eto dia filazàna fa tena hamotika mihitsy izy fa tsy hisomonga fotsiny, raha lokony ho fanampiana sy fiarovana no azo avy amin'ny tànana ankavanana (jereo Isa 41, 10). Tsy mihevi-tena ho inona ny mpanao salamo ahatohitra izany ka miandrandra indrindra ny fanampian'Andriamanitra, miantso ny mpamaky koa izy hanao tahaka azy.

2 - Midera an'Andriamanitra
Toe- javatra fanao sy mivelatra ao amin'ny salamo ary ampianarin'ny mpanao salamo ny mpamaky indrindra ny fideràna an'Andriamanitra. Raha ny marina, ny sehatra misy eto dia ao anaty ady kanefa hasehon'ny mpanao salamo fa tsy ny fisian'ny ady akory no ilazàna hoe sahirana be dia tsy hanam-potoana hiresahana sy hideràna an'Andriamanitra. Ny mifanohitra amin'izany aza no hatao, tena midera an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra ka mino fa io Andriamanitra ío dia mahafantatra izany tokony hanampiana izay rehetra mahatoky Azy. Mitaona antsika hametraka ny fiainana aminy izany na inona na inona mitranga.

Fanontaniana:
Fotoana inona ihany no tokony hideràna ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12