mercredi 13 juin 2018

Alarobia 13 Jona 2018 - Est 4 : 13 - 17

13dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin'ny Jiosy rehetra ianao satria monina ao an-dapa. 14Raha hangina mihitsy ianao amin'ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa (avy any an-kafa: firotsahan'Andriamanitra an-tsehatra no fonosin'izany fomba fiteny izany). ho an'ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin'ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?» 15Izao kosa no nasain'i Estera navaly an'i Môrdôkay: 16«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin'ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!» 17Dia lasa i Môrdôkay nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.

I Estera sy i Mordekay, tia ny fireneny.

Tsy izay rehetra mahay manao kabary tsara lahatra akory no tia ny fireneny. Ny tena fitiavana ny firenena dia:

1- Aseho amin'ny fandraisana andraikitra
Fantatr'i Mordekay fa misy loza mananontanona hanjo ny fireneny. Nanao izay azony natao izy mba hisakana izany. Nandefa hafatra ho an'i Estera izy. ho fampitandremana sao ho varimbariana na hihevi-tena ho efa miadana satria voahosotra ho mpanjakavavy. Na dia hizotra tsara aza mantsy ny fìainany, ka hiadam-pinaritra izy sy ny fianakaviany, dia tsy ho afa-miala amin'ny loza mitatao hanjo ny fireneny izy sy nv mpianakavin-drainy (and.14). Maro ny olona izay diso fihevitra ka tsy mba mijery sy manaraka ny vaovao momba ny fiainam-pirenena. Manana adidy amin'ny fireneny ny tsirairay ka tokony handray izay andraikitra tandrify azy, ho fijoroana ho vavolombelon'ny Tompo.

2- Aseho amin'ny fanoloran-tena
Rehefa tafita tany amin'i Estera izany hafatra izany, dia nambarany ny fahavononany handray ny andraikitra. Vonona izy ny hanao sorona ny tenany ka hiditra ao amin'ny mpanjaka. na dia tsy araka ny lalàna aza izany (and. 16). Manome fianarana ho antsika ny fiainan'i Estera izay mampiseho fahavononana hanao sorona ny ainy ho fanavotany ny mpiray firenena aminy. Fitiavana toy izany no nasehon'i Jesoa Kristy ho antsika. ka nanolorany ny tenany ho faty teo amin'nv hazo fijaliana ho fanafahana antsika amìn'ny fanamelohana vokatry nv fahotana.

Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny Fiangonana ho fanabeazana ny vahoaka mba ho tia ny fireneny?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12