mercredi 6 juin 2018

Alarobia 06 Jona 2018 - Lio 1 : 67 - 75

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain'ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr'i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony
avy amin'ny taranak'i Davida mpanompony,
70araka ny efa nambarany hatramin'ny fahagola
tamin'ny alalan'ireo mpaminany masina:
71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin'ny fahavalontsika
sy amin'ny tanan'ireo mpankahala rehetra.
72Namindra fo tamin'ny razantsika Andriamanitra
sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina
73mbamin'ilay fianianana izay nataony
tamin'i Abrahama razantsika1.73 Jereo Gen 22.16-17.:
74dia ny hanala antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika,
ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany
mandritra ny andro rehetra iainantsika.

1- Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely!"
Teo am-pananaovana ny asa fisoronana tao amin'ny tempoly Zakaria no nisehoan'ny anjelin'ny Tompo ka nilazany fa hiteraka zazalahy izy, Jaona no hatao anaranv. Tsy nino ny fanambaran'ilay anjely anefa izy ka tonga moana, mandra-pahaterak'ilay zaza. Saika hataon'ny mpiara-monina sy ny havany hoe Zakaria ny anaran'ilay zaza, fa ny rainy sy ny reniny no tsy nanaiky ka nilaza fa Jaona no ho anarany, araka izay efa nolazain'ny anjely. Tamin'izay indrindra no nisokatra ny vavan'i Zakaria ka afaka niteny indray izy. Fisaorana an'Andriamanitra no voalohan-teniny. Aoka ho feno fisaorana an' Andriamanitra mandrakariva isika raha mbola afaka misokatra ny vava!
Inona moa no nahatonga azy hisaotra an'Andriamanitra?

2- "Nitsinjo ny olony Izv".(and.68)
Satria nitsinjo ny olonv Izy. Nv hoe "nitsinjo ny olony" dia azo adika hoe: namangy sy nanavotra ny vahoakany.(DIEM). Ny fahatongavan'i Jesoa Kristy dia endriky ny lamangian'Andriamanitra ny olony sy ho fahatanterahan'izany faminaniana izany. Tsarovany ny fanekeny masina sy ny fianianany tamin'i Abrahama (and.72.75) ka dia namindra fo tamin'ny taranak'lsraely Izy. Ny tanjon'ny famangian'Andriamanitra antsika dia ny hanafaka antsika amin'ny tanan'ny fahavalo, mba hahafahantsika manompo an'Andriamanitra tsy amin- tahotra, fa amin'ny fahamasinana sy nv fahamarinana, amin'ny andro rehetra iainantsika. Ny fiangonana misokatra no endriky ny famangian'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Amin'nv fotoana toy inona no mba misaotra an'Andriamanitra isika?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12