mardi 26 juin 2018

Talata 26 Jona 2018 - Jer 31 : 10 - 14

10Mihainoa ny tenin'ny TOMPO, ianareo firenen-kafa,
ambarao any amin'ireo nosy lavitra any izany
ka lazao hoe: «Nampiely an'i Israely ny Tompo;
fa izao manangona azy Izy ary miambina azy
tahaka ny ataon'ny mpiandry amin'ny andian'ondriny.»
11Fa efa nanavotra ny olon'i Israely ny TOMPO
ka nanafaka azy tamin'ireo mahery noho izy.
12Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana
ao amin'ny havoanan'i Tsiôna;
ho miramirana endrika izy
amin'ny zava-tsoa homen'ny TOMPO:
dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo,
mbamin'ny ondry sy osy ary omby.
Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy
ka tsy mba hihamalazo intsony.
13Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy;
toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra.
Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Hovako ho fifaliana ny alahelony,
ka hampiononiko sy hampiravoako izy
mba ho afaka amin'ny fahoriany.
14Hovokisako zava-matavy ny mpisorona
ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.

Fantatry ny kristiana tsara fa Andrianianitra dia fitiavana ary maneho izany sy manasoa ny olona amin'izany tokoa lzy. Na izany aza anefa dia tsy tokony ho hararaotin'ny olona hanaovana zavatra tsy manjary izany. Aoka ho tsaroana hatrany fa:

1- Mampiely ny olona Andrianianitra
Tokony ho tsara hatrany ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olona raha toa ka mankatoa sy feno tahotra Azv ny olona kanefa tsy izany loatra no zava-misy. Fanaon'ny olona ny mivadibadika amin'Andriamanitra ary mahavita izay ratsy indrindra aza ny olona. Tena zavatra mahatezitra an'Andriamanitra mihitsy izany ary efa hanarina hatrany ny olona tsy hanao izany nefa mafy loha tsy azo tenenina koa tsy mahagaga raha faizin' Andriamanitra. Maro moa ny endrika famaizan' Andriamanitra fa eto dia ny fampielezany ny olona no mitranga izany hoe lasa babo any amin'ny tany hafa (jereo Sal 137)

2- Manangona ny olona koa Andriamanitra
Mahagaga koa anefa io Andriamanitra io fa na dia tezitra mafy amin'ny olona aza ka manafay azy dia manao izay hanavotana azy hatrany. Ireo nampieleziny dia mbola hangoniny indray ho eo amin'ny tany efa notendreny ho lovany. Amin'izany tsy hoe monina fotsiny fa hanomanany zava-tsoa; ny fitomaniana hiova ho fifaliana ary ho voky ny olona. Homeny ny olona izany, omeny anao, omeny ny Malagasy raha misy olona vonona hanaraka ny teniny sy ny sitrapony.

Fanontaniana:
Mba misitraka ny soa eo amin'ny taniny ve ny Malagasy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12