samedi 28 octobre 2017

Sabotsy 28 Oktobra 2017 - Lio 11 : 5 - 13


5Ary hoy indray i Jesoa tamin'ireto mpianany:

–Aoka hataontsika hoe misy aminareo midodododo amin-kavana misasakalina ka mitaraina aminy hoe: «Rahavako ô, mba ampisambory mofo telo aho, 6fa misy havako mivahiny vao tonga ao amiko nefa tsy manan-karoso azy aho!» 7Hamaly kosa angamba ny ao an-trano hanao hoe: «Aza sahiranina aho, fa ny varavarana efa mihidy ary izaho sy ny vady aman-janako efa samy am-pandriana, ka tsy afaka hifoha hanome mofo anao aho.» 8Lazaiko aminareo fa na tsy hifoha hanome mofo azy noho ny fihavanana aza ilay ao an-trano, dia hifoha ihany hanome izay rehetra ilainy mba tsy ho voatabataba tsy misy farany. 9Ka hoy Aho aminareo: mangataha, dia homena; mitadiava, dia hahita; dondòny, dia hovohana. 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11Araka ny hevitrareo, iza no raim-pianakaviana hangatahan-janany11.11 Aorian'ny hoe hangatahan-janany, misy stf sasany manampy hoe mofo ka hanome azy vato? na hangatahany... Jereo Mt 7.9. trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava? 12Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an'izay mangataka aminy?

« Ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy ? »
Lioka 11.13

1- Nv Rav manome nv Fanahv Masina
Fanomezan'Andriamanitra ho an'ny mpianatr'i Jesoa ny Fanahy Masina. Mihoatra lavitra amin'izay fanomezan’ny olona ny fanomezan'Andriamanitra. Miezaka ny olona hanome izay heveriny ho tsara ho an'ny zanany na ny namany, fa efa nanome antsika ny tsara indrindra ny Tompo, dia ny Fanahy Masina. Ny vavaka izany dia fangatahana ataon'ny olona amin'ny Tornpo ary fanomezana ataon'ny Tompo ho an’ny olona. Ny vavaka no mampifamatotra ny mino amin’Andriamanitra ary Andriamanitra amin’ny mino.

2- Nv zanaka mangataka amin’ny Rav
Mampianatra vavaka i Jesoa amin’ity Lioka 11 ity. Ampianarin'i Jesoa isika hivavaka amin’ny Ray. Ny vavaka atao dia mitaky finoana fa Andriamanitra dia manome mihoatra sy tsara lavitra noho izay angatahantsika ( and 11-13; Efes 3, 20). Andriamanitra dia manambara fa Izay tafiditra ho mpianatr'i Jesoa Kristy afaka mangataka aminy ary Izy manokatra ny tanany sy manome ho azv . Tafiditra ao amin'ny fanjakany isika; ary miditra sy mahita an’Andriamanitra any an-danitra (and 9). Mahereza àry mivavaka ka mangataka izay ilaintsika. araka ny sitrapony, hahazoantsika mahatanteraka ny sitrapony amin'izao ankehitriny izao.

Fanontaniana
Ahoana izany no fíainam-bavaka araka ity fampianaran'i Jesoa Kristy ity?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12