mercredi 18 octobre 2017

Alarobia 18 Oktobra 2017 - II Mpa 20 : 1 - 7

1Tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe:
–Ataovy ny farahafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.

2Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin'ny TOMPO 3ary nanao hoe
–TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao.

Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.

4Fa raha mbola tsy tonga teo amin'ny kianja anatin'ny lapa21.4 teo... lapa: araka ny dkt tranainy izany; fa ny RM kosa manao hoe teo amin'ny faritra afovoan-tanàna.  i Isaià, dia nisy tenin'ny TOMPO taminy nandidy azy 5hiverina ka hilaza amin'i Hezekià filohan'ny vahoakan'Andriamanitra hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko* ianao. 6Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin'ny vahohon'ny mpanjakan'i Asiria. Eny, ity tanàna ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.

7Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

Manambara ny farany Andriamanitra

1- Manambara nv fahafatesana
Misy fiafarany ny fiainan'ny zanak’olombelona rehetra. Tao anatin'ny aretina mafy i Hezekía no nanambaran'i Isaia mpaminany fa « ho faty ianao fa tsy ho velona » (and 1). I Hezekia mpanjaka dia namongotra ny sampy tamin’ny Joda, ary nandeha mahitsy tahaka an’i Davida. Manam-piafarana amin'ny fahafatesana ny olona, na dia ny mpanjaka malaza amin’ny fanitsiam-pivavahana teo amin’ny Joda aza (and 2: 2 Mponjaka 18, 3-7). Mampianatra ny Tompo, fa Izy no tompon’ny fotoana rehetra. « Hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa » (Kol 4,5). Mihatra amin'ny olombelona rehetra ny fahafatesana, eny fa na dia ho an’ny manao soa aza.

2- Manambara ny famelomana
Mamelona ny efa maty koa anefa ny Tompo. Mihaino ny fivavak’ i Hezekia, izay nitahiry ny finoany an’i Jehovah Andriamaniny izy. Nohenoin’I Jehovah ny fítarainany ; nojereny ny ranomason’ny mpanjaka (and 5). Tsy fahafatesana izany no anton’ny aretina fa fanehoana ny fahefan’Andriamanitra sy ny famindram-ponv. Nataon’ny Tompo hankatoa azy koa ny mpaminany ka nanaiky ho irakiraka. Mifanaraka amin’ny sitrapon'ny Tompo ny fangatahana eto: «hiaro ìty tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko. » (and). Katsaho ny sitrapon'ny Tompo amin’ny vavaka atao, fa fanalahidin'ny valim-bavaka izany.

Fanontaniana :
Inona no atao hahazoana valim-bavaka mahomby ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12