jeudi 5 octobre 2017

Alakamisy 05 Oktobra 2017 - I Mpa 9 : 1 - 5

1Rehefa vitan'i Salômôna ny fanaovana ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao, 2dia nisehoan'ny TOMPO tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibehôna9.2 Jereo 3.4-15. indray izy, 3ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 4Ianao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao tamin'ny fo tsotra sy mahitsy, ka manao araka izay rehetra andidiako anao sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, 5dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin'i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an'i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely.

Fotoana voalazan'ny mpandinika fa telo ambin'ny folo taona taorian’ny nitokanana ny Tempoly no nahazoan’i Solomona izao valim-bavaka izao. Andriamanitra mihaino vavaka tokoa ny Tompo ary manana fomba hanehoany izany amin’izay mahatoky Azy Izy. Raisintsika koa eto izany ny valin'ny vavaka marina :

1- Handraisana fahamasinan’nv Tompo (and.3)
« Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity ». Vavaka marina tokoa ny manome voninahitra an’Andriamanitra sy ny mitondra fifonana eo anatrehany fa izany no hanamasinany ny asa atao. Mety tokoa ny manorin-trano ho fanomezam-boninahitra ny Tompo sady ho fijoroana vavolombelona amin’ny alalan’ny vavaka fa tsy fïtokiana amin’ireo mpitaiza na mpanandro. Fa mamaly vavaka tokoa ny toy izany ny Tompo tahaka ny hitantsika eto. Izy no miaro ny mpanompony mandra-pahavitan’ny asa. Azo antoka ny teny nomeny koa manàna finoana hanaovana asa ho voninahitry ny Tompo.

2- Hahazoana fananantenana vaovao (and.4-5)
« ... hampitoeriko mandrakizay... ». Fikasan’ny Tompo ho an'ny mpanompony rehetra ny hampitoetra azy mandrakizay raha mihaino sy mankato ny Teniny ireo. Jesoa Kristy no nanamafy izany raha niteny hoe « Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Mat.24.13). Izany hoe, tokony handeha mandrakariva amin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana nomen’ny Tompo isika ary hijoro ho vavolombelony fa mahery vavaka ny mino Azy ka miharihary ny valin’ny vavaka natao.

Fanontaniana :
Tantarao fohy ny valim-bavaka azonao

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12