vendredi 27 octobre 2017

Zoma 27 Oktobra 2017 - Kol 1 : 9 - 14

9Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin'ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin'Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy Masina. 10Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin'ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an'Andriamanitra, 11ary hampahatanjahina tanteraka amin'ny heriny be voninahitra mba hanananareo fandeferana sy faharetana amin'ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana 12no isaory an'Andriamanitra1.12 faharetana amin'ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana no isaory an'Andriamanitra...: dkt hafa (raha ovana ny mari-pijanonana ao amin'ny rijan-teny grika fototra) faharetana ombàn-kafaliana amin'ny zavatra rehetra. Misaora an'Andriamanitra...  Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lova natokany ho an'ny vahoakany ao amin'ny hazavana; 13fa nanala antsika tamin'ny fahefàn'ny haizina1.13 fahefàn'ny haizina: ampit Lk 22.53. Izy, ka namindra antsika ho ao amin'ny Fanjakan'ny Zanany* malalany, 14Ilay ahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny helotsika1.14 Ampit Ef 1.7..

Mamindra antsika ho amin’ny fanjakany ny Tompo

1- Tohizo nv hafanana amin’nv vavaka
Feno fifaliana ny Apostoly Paoly amin'ny fandrosoana ny Fiangonana tany Kolosia amin'ny finoana sy ny fívavahana. Tsy ampy ny mionona amin'ny efa vita fa tohizana ny fivavahana sy ny fitombonana ho amin’ny fahatsaran’ny fíangonana. "Tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka” ho anareo aho, hoy i Paoly (and 9). Tsy vitan'ny moraly izany ny fiainana kristiana, fa hatsarain’ny vavaka. Mivavaha mba hofenoina fahalalana ny sitrapon’ny Tompo, ka hanana fanendrena : fahazavana avy amin’ny Fanahv Masina. Mivavaha ihany koa mba handeha miendrika ny Tompo; mba hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra; mba hatanjaka amin’ny herin’ny voninahitry ny Tompo. Manàna tanjona mazava amin’ny vavaka atao, toy izay ataon’ny Apostoly izao.

2- Mivavaha amin’nv fisaorana
Manandratra vavaka físaorana sy fankalazana i Paoly. Manambara ny asan’i Jesoa Kristy izy izay mahatonga ny mpino hanana anjara ao amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra. Izy no mampahamendrika antsika hanana anjara lova amin’nv lovan’ny olona masina. Tsy mendrika izany isika, noho ny fahotana. Omena ny kristiana, anefa izany. satria i Jesea Kristy no namindra antsika hiala tao amin'ny fahefan'i Satana na ny maizina ho amin’ny fanjakan’i Kristy. I Jesoa no mahatonga antsika hanana fanavotana dia ny famelana ny helotsika

Fanontanian:
Hazavao fa fanjakan’ny vavaka ny fanjakan’i Kristy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12