mercredi 25 octobre 2017

Alarobia 25 Oktobra 2017 - Mar 11 : 20 - 24

20Nandalo teo amin'ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin'ny fakany.

21Dia nahatsiahy i Petera ka nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, jereo fa maina ilay aviavy nozoninao!

22Namaly i Jesoa ka nanao tamin'ireo mpianany* hoe:
–Manàna finoana an'Andriamanitra! 23Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa. 24Koa izao no teniko aminareo: na inona na inona hangatahinareo amin'ny vavaka ataonareo, inoy fa efa azonareo, dia hotanteraka aminareo tokoa.

Ny vavaka mahafindra tendrombohitra

1- Vavaka amin’nv finoana
Tsy ny fahamainan’ilay aviavy no zava-dehibe amin’i Jesoa fa ny anjara toeran’ny finoana ao amin’ny vavaka. Asehon’i Jesoa ihany koa ny fahefana ananan'nv mino ka anesorana izay sakantsakana sy ny tsy fahombiazana. Manàna finoana an’Andriamanitra, hoy i Jesoa Kristy (and 22). Esorina ny físalasalana mba ho tanteraka izay zavatra lazaina sy angatahina amin’ny Tompo (and 23). Manambara izany fa ny finoana no mampanan-kerv ny vavaka; ny finoana no anatonana an’i Jesoa ao amin’ny vavaka. satria "raha tsy amin ’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy.” (Heb 11,6).

2- Vavaka mamaha olana
Mampaka sy mampamaha ny zana-boriky i Jesoa (and 2) ary niditra tao Jerosalema amin’ny maha Mesia Azy (and 8) ka nodioviny ny tempoly. Amin’ny fisehoan'i Jesoa amin'ny maha Mesia Mpanjaka sy Mpamonjy Azy dia miharihary ny heriny sy ny fahefany. Ravàn’i Jesoa izay sakana rehetra tsy hahatanteraka ny fàmonjena. Tahaka ity aviavy nozoniny fa tsv nahitana voany. Manome izany fahefana izany ho an'ny mpianany sy ny mpino Azy i Jesoa Kristy. Manan-kery avy amin'ny Tompo ny mpino hanala izay sakana tsy hahatanteraka ny famonjena izao tontolo izao. Amin’nv alalan'ny vavaka no hahafahantsika manala ny tendrombohitra misakana ny famonjena.

Fanontaniana :
Inona avy ireo lazain’ny Tompo fa tendrombohitra tokony hafindra eo amin’ny fiainanatsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12