dimanche 29 octobre 2017

Alahady 29 Oktobra 2017 - II Tan 7 : 11 - 18

11Rehefa vitan'i Salômôna ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy hotontosaina tao an-tranon'ny TOMPO* sy tao an-dapany, 12dia nisehon'i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona* ho Ahy ity toerana ity. 13Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako; 14kanefa raha amin'izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra* Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny. 15Ankehitriny no ijeren'ny masoko ary ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity7.15 Misy akon'ny 6.14-42 voafintina dia voafintina ity 7.12b-15 ity.. 16Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 17Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako, 18dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana* nataoko tamin'i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an'i Israely7.18 Jereo 1 Mp 2.4..»

Andriamanitra mamaly vavaka
1- Andriamanitra mifidy ny fitoerana masina
Mifidy toerana fivavahana ho an’ny fireneny sy ny vahoakany Andriamanitra. Natao ho trano fanateram-panatitra ny trano namboarin’i Solomona mpanjaka (and 12). I Solomona sy ny vahoaka manamboatra fa Izy Andriamanitra no mitokana sy manamasina ary mametraka ny antom-pisian’ny tempoly. Toerana fìvavahana sy fihaonana amin’Andriamanitra, Ilay tsy hita maso. Ao no anehoana ny fanetren-tena sy fibebahana sy fangatahana famelan-keloka ary fanasitranana ho an’ny olona sy ny firenena (and 14).

2- Andriamanitra mihaino sv mijery nv mpivavaka
Mijery sy mihaino izay atao rehetra ao amin’ny tempoly ny Tompo. An'Andriamanitra ny tempoly, fanehoany ny fisiany sv ny fahamasinana ary fanatrehany ny vahoakany. Andriamanitra irav ao amin’nv tempolv tokana ho an’nv firenena iray. Manaiky ho eo amin’ny Isiraely amin’ny alalan'ny tempoly Andriamanitra (and 16). mba ho fitahiana ho an’ny Isiraely, izay nofidinv.

3- Andriamanitra manao fanekena amin’nv Isiraelv
Tompon'andraikitra amin’ny faharetan’nv fanjakany sy nv filaminana ary ny fiadanan'ny Isiraely ny mpanjaka. I Davida, tandindon'ilay Mesia Mpanjaka, no itarafan'ny mpanjaka mifandimby ny tokony hatao. Antoka ho fiandrianana sy filaminan'ny Isiraelv ny fanaovana araka izay nataon’i Davida mpanjaka rainy.

Fanontaniana :
Inona no ifandraisan’ny tempoly sy ny fanjakana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12