jeudi 12 octobre 2017

Alakamisy 12 Oktobra 2017 - II Mpa 6 : 8 - 23

8Fony niady tamin'i Israely* ny mpanjakan'i Siria ka nila hevitra tamin'ny manamboninahiny, dia nilaza izay toerana tiany hitobian'ny tafiny. 9Fa i Elisà olon'Andriamanitra kosa naniraka olona nankany amin'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe:
–Tandremo fandrao mandalo amin'izany toerana izany fa any no misy ny tafika sirianina.

10Ary nandefa miaramila hiambina ny toerana voatondron'ilay olon'Andriamanitra ny mpanjakan'i Israely.
Imbetsaka i Elisà no mampitandrina ny mpanjakan'i Israely, koa dia mailo aoka izany izy.

11Nampanahy mafy ny mpanjakan'i Siria izany zavatra izany, ka niantso ny manamboninahiny izy ary nanao taminy hoe:
–Tsy ambaranareo amiko ve izay mpamadika amintsika ireto ka miasa ho an'ny mpanjakan'i Israely?

12Dia hoy navalin'ny manamboninahitra iray azy:
–Tsy misy izany mpamadika izany aminay, ry andriamanjaka! Fa i Elisà mpaminany* ao amin'i Israely ihany no manambara amin'ny mpanjakany na dia izay teny lazainao ao an'efitrano fandrianao aza.

13Ary hoy ny mpanjakan'i Siria:
–Andeha tadiavo izay toerana misy azy mba hahazoako misambotra azy.
Rehefa nilazana ny mpanjaka fa ao Dôtàna6.13 Dôtàna: toerana sahabo ho 45 km ao avaratr'i Jerosalema, ary 10 km avaratr'i Samaria. i Elisà, 14dia nandefa antoko-miaramila matanjaka miaraka amin'ny soavaly sy kalesy izy; ka tonga alina ireo miaramila ary nanao fahirano ny tanàna.

15Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon'i Elisà ka nivoaka ny tanàna, dia nahita ireo miaramila mbamin'ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna, ary niteny tamin'i Elisà hoe:
–Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?

16Fa novaliany hoe:
–Aza matahotra fa be lavitra noho ny mpomba azy ny mpomba antsika.

17Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe:
–TOMPO ô, sokafy re ny mason'ity mpanompoko ity mba hahitany.

Dia nosokafan'ny TOMPO ny mason'ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisà6.17 Ampit 2.11..

18Fa raha nidinan'ny miaramila sirianina i Elisà, dia nivavaka indray ka nanao hoe:
–Tompo ô, mba tampeno ny mason'ireo miaramila rehetra ireo.

Dia nohajambain'ny TOMPO araka ny tenin'i Elisà ny masony; 19ary hoy i Elisà tamin'ny miaramila:
–Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin'ny olona tadiavinareo ianareo.

Kanjo nentin'i Elisà nankany Samaria ireo. 20Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisà hoe:
–TOMPO ô, sokafy re ny mason'ireto mba hahitany ankehitriny.

Koa rehefa nosokafan'ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan'i Samaria.
21Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'i Elisà hoe:
–Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?

22Hoy kosa ny navalin'i Elisà:
–Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin'ny sabatra na tamin'ny tsipîka? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin'ny tompony.

23Dia nanaovan'ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin'ny tompony. Natsahatr'ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin'ny tanin'i Israely.

Akaiky an’Andriamanitra tokoa i Elisa, mpaminany. Nomen’Andriamanitra saina sy fahaiza -mamantatra mialoha izy, mba hampiemana azy indrindra momba ny anjara fanompoany teo amin’ny fireneny: «fa Elisa mpaminany ao amin’ny Isiraely ihany no milaza amin’ny mpanjakan’ny Isiraely na dia izay teny lazanao ao amin’ny trano fandrianao aza»(12). Nomen’ny Tornpo Fanahy mahery ny mpanompony.

1- Afaka mamantatra nv fahavalo
Rehefa tsara fifandraisana amin'Andriamanitra Tompo isika mpanompony dia omeny ny Fanahiny hitarika antsika hanaovana ny sitrapony. Izy no mpiaro ny Isiraely ka naniraka ny mpaminany mpanompony hisolo tena Azy tao aminy. Mahafantatra mialoha ny fahavalo sy ny teti-dratsiny izy araka izany ary mametraka izany fahafantarana izany ao amin’ny mpanompony mba hahatanteraka ny famonjena ny olona. Aoka ho vita fihavanana amin’i Jesoa Kristy isika ka hahazo ny fitarihan'ny Fanahy Masina izay nomeny mba hanaovantsika ny sitrapony hardraisan’ny olona ny famonjena nataony teo amin’ny hazofijaliana.

2- Afaka mitondra tenv amin’nv mpitondra
Na dia azon’ny mpanjaka natao noho ny fahefanv aza nv mamono ny fahavalo nentina teo aminy dia tsy maintsy naniraka ny tenin’ny mpanompon’Andriamanitra izy satria mpitondra natahotra an'Andriamanitra. Aoka ny manam-pahefana mba hatahotra an’Andriamanitra ka hihaino ny mpaminany mpanompony satria ireo no mitondra ny hafatr’Andriar'ianitra ho famonjena ny olona.

Fanontaniana :
Mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina ve ianao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12