lundi 2 octobre 2017

Alatsinainy 02 Oktobra 2017 - File 1 : 8 - 21

8Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen'i Kristy* ahy, ny handidy anao ny amin'izay tokony hataonao, 9dia aleoko manao fiangaviana aminao noho ny fifankatiavantsika. Eny, izaho Paoly dia efa antitra sady voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa ankehitriny1.9 efa antitra... ankehitriny: misy mandika hoe irak'i Kristy Jesoa, sady voafonja noho ny aminy ankehitriny. ; 10ka fiangaviana no ataoko aminao ho an'i Ônesimo1.10 Ônesimo: mpanompo nandositra niala tao amin'i Filemôna tompony; mahasoa no dikan'ny anarany ka anaovan'i Paoly tsilalaon-teny eo amin'ny and 11. Jereo koa Kôl 4.9., izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja. 11Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao. 12Asaiko mody atỳ aminao indray izy, ilay toy ny sombinaiko1.12 ilay toy ny sombinaiko: misy stf sasany ahitana hoe ianao kosa, raiso toy ny sombinaiko izy. . 13Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin'ny Vaovao Mahafaly* izao, mba ho solonao mikarakara ahy. 14Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa.

15Angamba ny nahatafasaraka an'i Ônesimo taminao vetivety dia ny hanananao azy maharitra; 16saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny maha olona azy na amin'ny maha mpanara-dia ny Tompo azy.

17Koa raha heverinao ho namanao tokoa aho, dia raiso i Ônesimo tahaka ny andraisanao ahy. 18Raha misy ratsy nataony anao na misy trosa anananao aminy, dia ahy ny andraikitra. 19Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao. 20Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin'i Kristy.

21Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao. 22Ary mba anomano efitrano koa aho; satria antenaiko fa noho ny vavaka ataonareo, dia haverin'Andriamanitra ho eo aminareo aho.


Mitarika ny saina handinika ny Fifandraisana amin’ny Tompo izao miseho eto izao. Nandevozin’ny fahotana isika ka rehefa afa-nandositra tao dia noraisiny sy novolavolainy tsy ho andevo fa tena zanaka. Ny fïfamatoram-piainana amin’ny Tompo no mivoitra eto:

1- Manafaka amin’ny faharatsiana
« Eny, miangavy aminao aho ny amin’ny zanako »(10). Ny fangatahan'i Paoly tamin'ny Filemona dia mitovy endrika amin’ny fangatahan’i Jesoa teo amin’ Andriamanitra Ray (Jaona 17). Ny mba handraisana ilay efa nania mba hiara-miasa ka ho tena zanaka mahasoa. Jesoa Kristy tokoa no miangavy mba hahazoantsika fitoerana miaraka Aminy. Tahaka ny nanafahan’i Paoly an’i Onesmosy tamin'ny rnaha andevo azy no fanafahan'i Jesoa Kristy antsika ankehitriny. Aoka ho mendrika izany isika ka hiala amin’ny ratsy sady hazoto hanao ny tsara.

2- Manolo toerana antsika
« Koa raha alaonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy » (17). Zava-dehibe amin'ny olona nitondra fanampiana ny olona nampiany. Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy ka tsy mahafoy antsika, olona novonjeny. Eny, ny rànv mihitsy no nomeny hisoloana antsika teo amin'ny hazofîjaliana. Tonga olona afaka isika ary mbola tiany hiray toerana Aminy amin'ny fandovàna ny fanjakan' Andriamanitra. Mirosoa àry ho vita fihavanana Aminy isika ka hanana ny fïfamatoram-piainana amin' Andriamanitra isan'andro. Izany no fivavahana marina eo anatrehany.

Fanontaniana :
Ahoana ny fahatsapanao ny fisoloana sy ny fanafaha’i Jesoa anao teo amin’ny hazofîjaliana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12