vendredi 13 octobre 2017

Zoma 13 Oktobra 2017 - I Kor 14 : 12 - 19

12Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be.

13Noho izany, izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia aoka hangataka amin'Andriamanitra mba ho afaka hanazava izany koa. 14Raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra manko aho, dia ny fanahiko no hany mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko. 15Ahoana àry no hataoko? Hivavaka amin'ny fanahiko aho no sady hivavaka amin'ny saiko ihany koa; hihira amin'ny fanahiko aho no sady hihira amin'ny saiko ihany koa. 16Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an'Andriamanitra, hataon'izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly «Amen*» ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao. 17Raha ianao, dia vavaka fisaorana kanto no vitanao, fa ny hafa kosa tsy nampandrosoinao amin'ny finoana.

18Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra. 19Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin'ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin'ny fiteny tsy fantatra.

Na dia nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samihafa aza ny kristiana eo amin’ny Fiangonana dia nataony ho iray fanompoana ; kanefa « raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra» (12). Ny fîvavahana kristiana araka izany dia natao hifampandrosoana.

1- Mivavaka hiombonnn’nv olona rehetra isika
Ny fivavahana amin’ny fitenim-pirenena hafa dia tokony hisy mpandika teny raha hatao ho an’ny olona rehetra izany. Ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy dia fifandraisana miorina avy amin’ny Teniny ao anatin’ny Soratra Masina. Aoka tsy hisy teny ivelan’ny Baiboly hanaovana toriteny na fampianarana ao ampiangonana araka izany satria tsy mahasoa ny olona akory. Paoly Apostoly eto nanapa-kevitra fa « Sady hivavaka am- panahy no hivavaka an-tsaina koa aho » (15).

2- Mitadv nv tenvy ho an’nv saina sy fanahy isika
Ny Soratra Masina irery ihany no misy ny teny ho an’ny saina sy fanahy. Nambaran’ny Paoly tamin’i Timoty zanany izany hoe « Soratra nomen’ny tsindrimandrin' Andriamanitra, mahasoa... mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra. ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra» (2 Tim.3, 16-17). Koa raha mivavaka dia teny ahazoan’ny mihaino manao « Amen », hoy izy eto, ho tadiavina. Aoka omena fahalalana ara-tsoratra Masina ny olona tarihintsika hivavaka, mba handray an’i Jesoa teny tonga nofo ao amponv. Olona resy lahatra ka mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy no afaka miara-mivavaka.

Fanontaniana :
Inona no efa nataonao hampandroso ny hafa amin’ny finoana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12