mercredi 11 octobre 2017

Alarobia 11 Oktobra 2017 - Lio 3 : 21 - 22

21Indray andro, raha mbola natao batisa* ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra. 22Dia nidina teo ambonin'i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako 3.22 Ampit Sal 2.7; Is 42.1.!

1- Ho fanombohana nv asa hatao
Tsy natao batisan’ny fibebahana velively akory i Jesoa eto fa batisa fandraisana asa fanompoana izay nialohavan’i Jaona mpanao batisa Azy izao. Tsy mba teraka tamin’ny ota Izy sady tsy nanota akory. Izany no bevitry ny lanitra nisokatra Taminy eto, ary nohamarin’ny feo hoe « Hianao no Zanako malalako. Hianao no sitrako ». Ho fanombohany ny asa izay nanirahan'ny Ray Azy no nisehoan'izany eto. Ny vavaka hatao ho fanombohana ny asa dia hanehoan’ny Tompo fankasitrahana ho fampaherezana ny iraka rehetra. Fanoloran-tànana hotantanan’ny Tompo ny mivavaka mialoha ny asa.

2- Ho fiioroana vavolombelon’ny Tompo
Tanteraka ny famonjena izao tontolo izao tamin’ny nahafatesan’i Jesoa teo amin'ny hazofïjaliana. Nitsangana tamin’ny maty Izy, ho vavolombelona fa Andriamanitra velona Izy no tonga olona teto an-tany mba hanafaka ny olona amin'ny fahotany. Mitaona antsika hibebaka Izy mba hamelany ny helotsika. Ny fiainam-bavaka no tànana handraisantsika ny tànan'ny Tompo hamonjy antsika aimn’izao  fiainana ratsy izao. Isan'andro dia taominy hijoro ho vavolombelona amin’izany isika, fa Izy: «Fa miambena ka mivavaha mandrakariva. mba hahery» !

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fiainam-bavakao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12