mardi 17 octobre 2017

Talata 17 Oktobra 2017 - Lio 18 : 1 - 8

1Nanaovan'i Jesoa fanoharana* avy eo ny mpianany* hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana. 2Hoy Izy hoe:
–Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanàna anankiray izay. 3Nisy koa tao amin'io tanàna io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: «Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho!» 4Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: «Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona. 5Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!»

6Ary hoy ny Tompo:
–Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy! 7Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy18.7 ...andro aman'alina? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy? dkt hafa ...andro aman'alina, na dia hampiandry azy ireo aza Izy? ? 8Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona*, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?


Miandany amin’ny olom-boafidiny Andriamanitra

1- Miaro nv mpino maharitra mivavaka nv Tompo
Ratsy ny fiarahamonina asehon'i Jesoa eto : misy mpitsara tsy marina sady tsy matahotra an'Andriamanitra; misy mpitondratena mahantra, izay manana ady amin’ny mpiara-monina. Lany andro sy fotoana mivezivezy mitady ny rariny ilay mpitondratena. Miasa ao am-pon'ny ratsy fanahy ny Tompo mba hahazoan’ny marina ampahantraina ny rariny. Tompon'ny fahefana rehetra i Jesoa Kristy ka afaka manova ny ratsy fanahy ho marina, na ny tsy matahotra an’Andriamanitra ho tia ny fahamarinana. Ny fivezivezena sy ny fíharetana ary ny faharetan'ilay mpitondratena dia manambara ny endriky ny vavaka ataon'ny mino. Mahareta amin’ny fivavahana .

2- Miaro ny mpino mahatoky ny Tompo
Andriamantra manome rariny ny olom-boafídiny. Andro aman’alina no iantsoana ny Tompo. Tsy mba tara amin’ny famonjena ny mpino Andriamanitra. Mahatoky sy marina Izy ; mijery sy mahita ny fijalian'ny zanany ka mamonjy Azy. Mijaly sy mitaraina fatratra isika kristiana ankehitriny amin’ny fanenjehana sy ny fanaratsiana mihatra amintsika. Ireny no ady tsy maintsy atrehina. sady anefen’ny Tompo antsika kristiana ho tsara orina amin’ny fivavahana sy ny finoana. Tohizo àry ny vavaka andro aman’alina, ataovy matetika sy amin’ny línoana fa tsy mamela antsika hiady irery i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Manomeza ohatra amin'ny atao hoe : maharitra mivavaka amin’ny finoana ny kristiana ?



Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12