mardi 31 octobre 2017

Talata 31 Oktobra 2017 - Apo 2 : 8 - 11

8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro2.10 folo andro: isa enti-manondro fe-potoana fohifohy ihany (ampit Gen 24.55; Dan 1.12).. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.

«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»

Ny fiangonana mandresy ny fahafatesana
1- Mandresv an’i Satana nv fiangonana
Nanenjika ny fiangonana kristiana ny jiosy tao Smyrna, any Asia Minora. Antsoina hoe : « synagogan 'i satana» izy ireo. Manoratra ho an’ny mpitandrina na ny anjelin 'ny fiangonana i Jesoa Kristy ho fampaherezana azy. Manome antoka Izy, dia Ilay Tompo nandresy ny fahafatesana fa omena azy ny fiainana mandrakizay satria efa resy ny fahafatesana.

2- Mandresv nv tahotra nv fiangonana
Izay efa niharetan’i Kristy hatramin’ny fahafatesana dia hihatra amin’ny kristiana. Ho fizahan-toetra ny finoana no anton'izany. Voafetra ny fotoam-pahoarian'ny kristiana « hafoloana » ataon'ny devoly (and 10). Fizahan-toetra ireny , hoy i Jesoa Kristy ; ho fanomanana ny fiangonana mandresy, hihaona amin’i Kristy amin’ny andro farany.

3- Mahazo satroboninahitra nv fiangonana
Mahatoky ao amin'i Kristy hatramin’ ny fahafatesana ny kristiana. «Satroboninahitra fiainana» no omen’Ilay Voalohany sy ny Farany ny mpino mahatoky. Izy Ilay Mpitsara Marina sady Tompon'ny hery sy ny fahefana rehetra, ka manolotra ny satroboninahitra ftainana. Efa nomanin’i Jesoa ny fiainana mandrakizay ho an’ny kristiana mahatoky, maharitra amin’ny fivavahana sy fanarahana Azy. Miomàna ho any amin’ny Tompo isika.

Fanontaniana:
Ahoana no fiainam-bavaky ny olona mahatoky ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12