lundi 30 octobre 2017

Alatsinainy 30 Oktobra 2017 - II Tes 3 : 1 - 5

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.

3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy*3.3 Ampit Mt 6.13; Jôh 17.15.. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.

5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy*3.5 hahatsapa... Kristy: dkt hafa ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny faharetana omen'i Kristy!

Mivavaka ho an’ny Tenin’Andriamanitra ny mino

1- Mivavaha ho an’nv mpitorv nv Filazantsara
Fangatahan'ny Apostoly Paoly tamin’ny fíangonana kristiana tany Tesalonika ny hitondrana am-bavaka azy sy ny namany mba hahatanteraka ny fìtoriana ny Filazantsara. Vavaka no hahatanterahana ny asan’ny Tompo. Tsy ampy ny miasa fotsiny fa tsy maintsy entina am-bavaka ny asa. Ao amin’ny vavaka dia miaro sy mampahery ny fiangonany ny Tompo (and 3). Fitaovana eo am-pelatanan’ny devoly mandrakariva ny ratsy sy ny tsy tnino mba hamoretana sy handrahonany ny mpitory Filazantsara (jereo Asa 17,11; 13). Fiadiana eo am- pelatanan’ny mpino ny vavaka handresena ny fahavalo.

2- Mivavaha mba hahatratrarana nv zava-kendrena
Maro ny sakana ho amin’ny asa fampielezana ny Vaovao Mahafaly tao Tesalonika. Isan’ireny ny fahamaroan’ny Jiosv mpanohitra nv fivavahana kristiana; ny fahadisoam- pinoana momba ny fiavian’i kristy tampoka sy haingana; ary ny fisian’ireo ratsy toetra, izay manimba ny fíangonana (and 6). Manana tanjona tratrarina ny Apostoly amin'ny fitorian-teny sy ny fitoriana ny Filazantsara. Ireto ireo tanjona voalaza ireo: mba hankalazaina eo amin'ny jentilisa ny tenin’Andriamanitra; mba hovonjena amin’ny ratsy fanahy ny Apostoly; mba ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra ny fiangonana; - mba hanana ny faharetan’i Kristy ny kristiana.

Fanontaniana ;
Isaky ny mivavaka ianao, mba tadidy sv tsaroana ve nv tanjona kendrena amin’ny vavaka ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12