lundi 16 octobre 2017

Alatsinainy 16 Oktobra 2017 - II Mpa 19 : 14 - 20

14Ary noraisin'i Hezekià ny taratasy nentin'ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon'ny TOMPO* ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan'ny TOMPO, 15ary nivavaka tamin'ny TOMPO nanao hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerôbima*19.15 Jereo Eks 25.22., Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO ô, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny izay nampitondrain'i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona. 17TOMPO ô, marina fa ireo mpanjakan'i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny; 18ary nodorany tamin'ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan'ny tanan'olombelona, vato aman-kazo ihany. 19Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon'ny tanan'i Saneheriba izahay mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»

20Ary i Isaià, zanakalahin'i Amôtsa, dia naniraka hankany amin'i Hezekià nanao hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Ny vavaka nataonao tamiko ny amin'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria dia efa nohenoiko.

Andriamanitra mamelona ny inpanompony
1- Manpiorina nv finoan’nv mpanompony ny Tompo
Zavatra roa loha tsy afaka misaraka ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny finoana Azy. Misongadina ny foto-pinoana tao amin’ny mpanjaka Hezekia. - Tokana Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra afa tsy i .Jehovah irery ihany (and 20)\ "Mpanjakan'ny fanjakana rehetra ambonin 'ny tany ” sady Mpahary sy Tompon'izao rehetra izao, dia « ny lanitra sy ny tany », Izy (and !$). - Manatona sy manakaiky ny mpanompony Andriamanitra, sady miara-monina aminy. Ao an-tranon'Andriamanitra no velarin'i Hezekia eo anatrehany ny taratasin’i Sankeriba asyriana fahavalo (and 14). Miasa ary mijery sy mihaino ny Tompo (and 14:16). Manongilan-tsofina mihaino sy mijerv ary mahita ny zava-mihatra amin'ny fíreneny sy ny vahoakany manontolo Izy.

2- Mihaino sv mamoniy ny mpanompony ny Tompo
Omen’ny Tompo hery ny mpanjaka Hezekia hanatona Azy, ao an-tranony; hamelatra eo anatrehany ny fiantsian'adv ataon'ny fahavalon'ny Isiraely sy ny olana mianjady1 aminy sy ny fireneny. Manatona sy mivavaka amin’ny fitarainana ary mametraka ny adiny amin'i Jehovah ao an-tranony ny mpanjaka. Maniraka ny mpaminanv Isaia i Jehovah hanambara amin'i Hezekia mpanjaka fa efa nohenoiny ny vavaka nataony (and 20). Aza mahafoy ny fihaonana amin'ny Tompo ao an-tranony.

Fanontaniana :
Ahoana no fampiharana ny hoe : tranon'i Jehovah toerana ihainoan'ny Tompo ny mpanompony sy ny vahoakany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12