dimanche 22 octobre 2017

Alahady 22 Oktobra 2017 - II Mpa 4 : 32 - 37

32Rehefa tonga tao an-trano i Elisà, dia mbola mivalampatra eo ambony farafara ilay zaza maty. 33Dia niditra izy ka nihidy aman-trano niaraka tamin'ny zaza ary nivavaka tamin'ny TOMPO. 34Dia nandry teo ambonin'ny zaza izy ka vava tandrifin'ny vavany sy maso tandrifin'ny masony ary tanana tandrifin'ny tanany. Koa raha mbola nijanona teo amboniny izy dia nihanafana ny tenan'ilay zaza. 35Nitsangana i Elisà ka niasa dia eran-trano ary niverina niampatra indray teo ambonin'ny zaza. Tampoka teo anefa dia nievina impito ilay zaza ka nihiratra. 36Nantsoin'i Elisà i Gehazỳ ka nitenenany hoe:
–Ndeha antsoy ilay Sonemita!

Dia laza izy niantso azy; koa nony nankao amin'i Elisà ravehivavy dia nilazany hoe:
–Raiso ny zanakao.

37Dia nandroso ravehivavy ka niantoraka teo an-tongotry ny mpaminany sady niankohoka nitehi-tany ho fanajana azy. Noraisiny ny zanany ary lasa izy nivoaka ny efitrano.

Vavaka, mamelona ny maty

1- Mamelona nv vavaka
Zanakalahy tokan’ilay mpivady efa antitra nampiantrano an'i Elisa mpaminany ity maty ity ary fanomezana avy amin’Andriamanitra (and 17). Dingana roa nv famelomana ny zazalahy: fametrahana ny tehin’ny mpaminany nentin'ny mpanompony, fa tsy nahomby (and 31). Mino ilay reny mahantra fa ilay lehilahin' Andriamanitra no hitondra fahavelomana ho an’ny zanany satria avy amin’nv teny nataonv no nananv anaka. Miandry ny vavaka ataon’ny Fiangonana mpaminany izao tontolo izao tsy manana fanantenana. Tian’ny Tompo isika hamantatra ny mahasoa ny zanak'olombelona sy hitondra vahaolana hahaveloman'ny olona sy nv firenena.

2- Velomv nv fiainam-bavaka
Mivavaha ao amin'ny mangingina “mirindrim- baravarana" (and 4; 33). Ny vavaka atao amin’ny mangingina dia làlana itondran'ny Tompo vahaolana eo amin’ny fiainan’ny mpino sy ny fiangonana (Jereo Mat 6, 18; 20, 17; 2 Mpanj 19. 14). Mahita ao amin’ny miafina sy nv fitoniana nv Tompo. Asa mangina ny vavaka fa tsy fideraderana na itsofana trompetra mba ho hitan'ny olona. Ny finoana ny Tompo ho mijery sy mihaino ao amin'ny fahanginana ary afaka mamelona izay efa maty sy ny efa ho faty, dia manerv. Arindrao eo anatrehan’nv Tompo isan’andro amin’ny vavaka mitokana ny fiainanao sy ny ankohonanao ary ny firenentsika.

Fanontaniana :


Amin’ny antony sy fotoana toy inona no ilàna ny vavaka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12