samedi 7 octobre 2017

Sabotsy 07 Oktobra 2017 – Jak 5 : 13 – 18

13Misy ory ve ianareo? Aoka izy hivavaka. Misy finaritra ve? Aoka izy ho velon-kira fiderana. 14Misy marary ve ianareo? Aoka izy hampiantso ireo loholom-piangonana hivavaka eo aminy sady hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo5.14 Ampit Mk 6.13.? 15Fa izany vavaka izany, rehefa atao amim-pinoana, dia hahavonjy ilay marary: hositranin'ny Tompo izy ary, raha nanota, dia havela ny helony. 16Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. 17Olona tahaka antsika izao ihany i Elià*; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany; 18ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany5.18 and 17-18: jereo 1 Mp 17.1; 18.1; 18.42-45..

19Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin'ny marina, ka misy mamerina azy, 20dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin'ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin'izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa5.20 ny fanahin'... tsy ho faty: dkt hafa ny fanahin'ny tenany tsy ho faty. –sady... niavosa (fahotana ivalozan'ny andaniny sy ny ankilany): ampit Ohab 10.12; 1Pt 4.8..

Elia mpaminany ny ataon’ny Apostoly Jakoba ohatra eto momba ny faherezana mivavaka. Izy dia nanana fiombonam-piainana feno tamin’ny Tompo. Koa mba hanahafantsika azy dia tsara raha mihaino sy mankato ary mitandrina ny didin’Andriamanitra isika ary hanana fiombonam-piainana amin’i Jesoa Kristy rehefa mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Miseho elo ny herin’ny vavaky ny mino Azy :

1- Mitondra fanafahana (and.13-15)
Ny vavaka atao ho an'ny mana-manjo na ny manam- pifaliana dia fiantsoana ny fanatrehan’ny Tompo azy ireo mba handray ny vavaka ao ampony. Miasa fanafahana ho an’ny olona ny fïvavaky ny finoana. Ny vavaka atao ho an’ny marary dia fangatahana ny fanasitranan'ny Tompo azy, tsy ara-batana fotsiny anefa hatramin’ny ara-panahy mihitsy no omen’ny Tompo maimaim-poana ho azy. Ny kristiana dia taomina hivavaka ho an’nv olona rehetra fa ny Tompo mandray ny vavaky ny finoana.

2- Mamitra-pihavanana (and. 16-18)
Ny vavaka marina dia mitaona antsika hahay mifamela heloka ka hihavana sy hifankatia. Tsara mandrakariva ny fiainana misy fiaraha-mivavaka mialoha ny asa aman- draharaha. Lavitry ny fihatsaram-belatsihv ny olona afaka mifamela heloka. Manjaka ny fifankatiavana ary miseho ho azy ny maha mpanompon’ny Tompo antsika. Izy no mpamela heloka antsika mba hihavanantsika Aminy. Aoka ho vita fihavanana amin' Andriamanitra sy ny olona isika.

Fanontaniana :
Misy làlana hafa mitondra fampaherezana antsika ve ivelan’ny Baiboly ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12