dimanche 6 septembre 2020

Alahady 06 Septambra 2020 - Hag 2 : 1 - 9

 1Tamin’ny volana fahafito2.1 Izany hoe tokony ho tamin’ny tapaky ny volana oktôbra 520 tal. J.K., andro faha-21 dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. 2Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky ary ho an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany no nasain’ny Tompo nambarany hoe: 3Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin’ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo? 4Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao, 5araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo. 6Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety2.6 Ity and ity dia voalaza ao amin’ny Heb 12.26-27.. 7Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. 8Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran’izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao. 9Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12