lundi 7 septembre 2020

Alatsinainy 07 Septambra 2020 - II Tan 19 : 4 - 11

 4Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata; ary nandeha hitety vahoaka indray izy hatrany Beera-Seba ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, ary nampiverina azy ho amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany. 5Nanendreny mpitsara tamin’ny isan-tanànamimanda eran’ny tanin’i Joda 6sady nohafatrafarany hoe:

–Tandremo izay hataonareo, satria tsy araka ny olona fa araka ny TOMPO no hitsaranareo; sady ny Tompo mihitsy no hiaraka aminareo rehefa mitsara ianareo. 7Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO! Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia heloka na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.

8Tao Jerosalema koa dia nanendren’i Jôsafata ny sasany tamin’ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin’ny mponina tao an-tanàna. 9Dia nomeny baiko ireo ka nilazany hoe:

–Izao no hataonareo noho ny fanajana ny TOMPO araka ny toetra mahatoky sy ny hitsimpo. 10Na inona na inona ady avy amin’ny mpiray firenena, any amin’ny tanàna fonenany any momba ny vonoan’olona na momba ny lalàna sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy; dia tsy ho meloka amin’ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo. 11Ary indro i Amarià mpisorombe no ho lehibenareo amin’ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadià, zanakalahin’i Jismahela sady mpifehy ny taranak’i Joda, no ho lehibenareo amin’ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no ho mpitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà, ary ny TOMPO anie hiaraka amin’izay manao ny tsara!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12