vendredi 11 septembre 2020

Zoma 11 Septambra 2020 - Fil 2 : 12 - 18

 12Koa amin’izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin’izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo; 13satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.

14Amin’izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana, 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra2.15 Mampahatsiaro ny Fifan 32.5 araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo, 16ka hanolotra azy ireo ny teny manome fiainana. Raha izany no ataonareo, dia hanan-kireharehana momba anareo aho amin’ny andro hiavian’i Kristy, satria hiharihary fa tsy foana tsy akory ny ezaka nataoko sy ny zavatra nisasarako.

17Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo2.17 Ampit 2Tim 4.6.. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako; 18aoka hifaly amin’izany koa ianareo, ary hampiombona ahy amin’ny hafalianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12