mardi 1 septembre 2020

Talata 01 Septambra 2020 - III Jao : 1 - 12

 1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

2Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy. 3Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany. 4Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

Mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra tokoa i Gaio

5Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. 6Ireo no nanambara teo anatrehan’ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin’ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an’Andriamanitra; 7fa ho voninahitr’i Kristy no niaingan’ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin’ny tsy kristianina. 8Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

I Diôtrèfa sy i Demètry

9Efa nanoratra tamin’ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diôtrèfa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankatò anay. 10Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin’izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon’izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin’ny Fiangonana.

11Aza maka tahaka ny ratsy, rahavako, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; izay manao ny ratsy kosa tsy mba nahita an’Andriamanitra.

12Ny amin’i Demètry dia ny olona rehetra sy ny hafatra marim-pototra iainany no vavolombelon’ny mahatsara laza azy. Izahay koa dia vavolombelon’izany, ary fantatrao fa azo antoka ny fijoroanay ho vavolombelona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12