mardi 8 septembre 2020

Talata 08 Septambra 2020 - Oha 1 : 1 - 7

 1Ohabolan’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely1.1 Momba ny fahendren’i 

2Ireo ohabolana ireo dia hahalalan’ny olona

ny fahendrena amam-panabeazana,

sy hahatakarany teny hahaiza-manavaka,

3ary hahazoany fanabeazana mahiratra

momba ny fahamarinana sy rariny ary fahitsiana.

4Anomezam-pahamalinana ho an’ny olon-tsotra ireny

ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an’ny tanora.

5Na dia ny hendry aza no mihaino ireny,

dia hitombo traikefa izy,

ary ny lalin-tsaina hahita torolalana

6hahatakarana ohabolana sy fanoharana

ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantany.

7Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana1.7 Jereo 2.5; 9.10; 15.33; Jôb 28.28; Sal 111.10..

Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12