jeudi 10 septembre 2020

Alakamisy 10 Septambra 2020 - Mar 6 : 45 - 52

 45Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaidà; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody. 46Ary rehefa avy nanao veloma ny vahoaka i Jesoa, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. 47Efa maizina ny andro no teo ampovoan’ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety; 48hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy6.48 hihoatra azy: dkt hafa hanatratra azy, hanakaiky azy.. 49Nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy. 50Samy nahatazana an’i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra. Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe:

–Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!

51Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, 52satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12