mercredi 2 septembre 2020

Alarobia 02 Septambra 2020 - Lio 12 : 16 - 21

 16Ho azy ireo no nitantaran’i Jesoa ity fanoharana ity:

–Nisy mpanankarena anankiray nanan-tany nahavokatra be, 17ka velon’eritreritra nanao anakampo hoe: «Inona re no hataoko fa tsy ampy intsony ny toerana hamoriako ny vokatra?» 18Dia hoy indray izy: «Izao no hataoko: horavako ny sompitra ankehitriny ka sompitra lehibe kokoa no hajoroko hamoriako ny variko sy ny fananako rehetra. 19Rehefa izany, dia izao no holazaiko anakampo amin’ny aiko: Ry aiko ô, manan-tahirim-pananana be tsy ho lany lanîna mandritra ny taona maro ianao; koa mialà sasatra, mihinàna, misotroa sy milibà.» 20Fa hoy Andriamanitra taminy: «Olona tsy misaina ianao! Anio alina ihany, dia halàko aminao ny ainao. Ka ho an’iza ireo zavatra navosanao?»

21Dia nofaranan’i Jesoa hoe:

–Toy izany àry no manjo izay manangon-karena ho an’ny tenany fotsiny fa tsy mba mihary harena ao amin’Andriamanitra!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12