lundi 14 septembre 2020

Alatsinainy 14 Septambra 2020 - Efe 6 : 1 - 9

 1Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo6.1 Misy stf sasany tsy ahitana hoe mpanaraka ny Tompo ianareo. ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany. 2«Hajao ny rainao sy ny reninao»; izany no didy voalohany miampy ny fampanantenana hoe: 3«mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin’ny tany ianao6.3 And 2-3: Eks 20.12; Fifan 5.16..»

4Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin’ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

5Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin’ny fahatsorampo toy ny anekenareo an’i Kristy. 6Tsy hoe raha eo imason’ny tomponareo ara-nofo ihany no manaiky, toy ny mila sitraka amin’ny olona; fa tontosao amin’ny fo tokoa ny sitrapon’Andriamanitra, toy ny ataon’ny mpanompon’i Kristy. 7Ataovy amin’ny fo mirana ny asa fanompoanareo, tahaka ny atao amin’ny Tompo fa tsy amin’ny olona; 8satria fantatrareo fa ny olona tsirairay, na mpanompo na tsy mpanompo, dia samy hovalian’ny Tompo, amin’izay soa nataony avy.

9Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an’ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan’olona5.9 Ampit Fifan 10.17..

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12