dimanche 20 septembre 2020

Alahady 20 Septambra 2020 - Mat 18 : 21 - 35

 21Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa i Petera ka nanontany Azy hoe:

–Tompo ô, impiry moa aho no tokony hamela ny havana iray finoana raha diso amiko izy? Hatramin’ny impito ve?

22Dia hoy i Jesoa taminy:

–Tsy hatramin’ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin’ny impitopolo impito18.22 impitopolo impito: dkt hafa im-77.!

23Koa amin’izany, ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany. 24Raha vao natomboka ny fampamoahana, dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka ity mpanompo izay nananany trosa denàry enimpolo tapitrisa. 25Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy ho andevo ny tenan’ilay mpanompo mbamin’ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa. 26Dia niantoraka sy niankohoka teo anoloan’ny mpanjaka ilay mpanompo sady nanao hoe: «Mba omeo andro re aho fa haloako avokoa ny anao!» 27Onena azy kosa ilay tompony ka namoy ny trosa taminy ary nandefa azy.

28Vao tafavoaka anefa ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany izay nananany trosa denàry zato. Noraisin’ilay mpampitrosa teo am-bozona izy, ka nokendainy sady nataony hoe: «Aloavy izay trosako aminao.» 29Dia niantoraka teo anoloan’ilay mpampitrosa izy sady nifona taminy nanao hoe: «Mba omeo andro re aho, fa haloako ny anao!» 30Tsy nety anefa ilay mpampitrosa fa lasa nampanao azy am-ponja mandra-pandoany ny trosa. 31Nalahelo mafy ireo mpanompo namany nony nahita ny zava-nitranga, ka lasa nitantara izany rehetra izany tamin’ny tompony. 32Dia nampanalain’ny tompony tamin’izay ilay mpanompo nananany trosa be ka noteneniny hoe: «Mpanompo ratsy fanahy ianao! Efa nafoiko avokoa ny trosako taminao, noho ianao nifona tamiko. 33Ka moa tsy tokony mba hamindranao fo koa ve ilay mpanompo namanao tahaka ny namindrako fo taminao?» 34Dia tezitra ny tompony ka nanolotra an’ilay mpanompo ratsy fanahy mba hatao am-ponja sy hampijalîna mandra-pandoany ny trosany manontolo.

35Dia nofaranan’i Jesoa hoe:

–Ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny havanareo amin’ny fonareo tokoa ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12