samedi 12 septembre 2020

Sabotsy 12 Septambra 2020 - Jak 5 : 16 - 20

 16Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. 17Olona tahaka antsika izao ihany i Elià; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany; 18ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany (5.18 And 17-18: jereo 1 Mp 17.1; 18.1; 18.42-45.).

19Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin’ny marina, ka misy mamerina azy, 20dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin’ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin’izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa5.20 ny fanahin’...tsy ho faty: dkt hafa ny fanahin’ny tenany tsy ho faty. –sady...miavosa (fahotana ivalozan’ny andaniny sy ny ankilany): (ampit Ohab 10.12; 1 Pt 4.8.).

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12